I Madagasikara irery no manana tsiperifery ary tena mampidi-bola ny fanondranana azy satria mahatratra 200 Euros na 803 000 Ar hatramin’ny 350 Euro na 1 405 000 Ar ny kilao ividianan’ny firenena eoropeanina azy (1Euro=4015Ar).
Dipoavatra dia (sauvage) ary aondrana miaraka amin’ny dipoavatra mainty ny tsiperifery noho izy tsy manana anarana siantifika. Miteraka fanimbana ny tontolo iainana anefa ny fitrandrahana sy ny fangalana azy satria tapahina ny hazo sy ny ala any amin’ny faritra mando rehefa hioty azy. Amin’izany indrindra no nanaovana ny atrikasa fikarohana omaly alarobia 12 septambra tetsy amin’ny Hotely PANORAMA Andrainarivo mba hiarovana ny ala sy ny hazo tsy hanimbana ny tontolo iainana. Mifanindrandalana amin’ny fitsimbinana ireo tsiperifery koa ity atrikasa ity satria efa mihavitsy, indrindra ireo tsiperifery vavy izay sompitra manome ny vokatra. Noho ny fitakian’ny mpamatsy vola dia betsaka ny mpikaroka sy ny mpamboly ary ny manampahaizana misehatra amin’ity fikarohana ity mba hahita ny vahaolana maharitra. Ankoatra izay, tanjona ihany koa ny hanatsarana hatrany ny fidiram-bolan’ireo mpamboly satria ny volana jolay sy aogositra ary ny novambra ihany izy ireo no manatanteraka ny fanotazana ny tsiperifery. Nisy ny vahaolana nivoaka tamin’ny fikarohana andiany voalohany tahaka ny fampiasana ny mpianika hazo mba tsy hanapaka intsony ny ala. Teo ihany koa ny fijerena saham-pambolena hafa ivelan’ny ala mihitsy ka mba ho tombony hatrany amin’ny toekaren’i Madagasikara ny tsiperifery kanefa sady tsy hanimba ny tontolo iainana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.