Iaraha-mahita ny kolikoly ateraky ny tsenam-baro-panjakana eto Madagasikara.
Na misy aza fampafahantarana ny tsena ho an’ny daholobe (appel d’offre) dia tsy mangarahara fa kitranoantrano hatrany no manjaka ary efa fantatry ny minisitera any am-boalohany ny mahazo ny tsena. Mahagaga fa mitovitovy amin’ny firenena mahantra ihany ny dingana atao any amin’ny firenena mandroso momba ny tetikasa anaovana fotodrafitrasa izay ilana “appel d’offre”. Mamaly ny orinasa (soumission) ary misy fifantenana manaraka tsara ny torolalana (procédures) an’ny tsenam-baro-panjakana. Eo amin’ny resaka famatsiam-bola no mahasamihafa ny any amin’ny firenena mandroso sy ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara. Tsy ny fanjakana mantsy any no mamatsy ny tetikasa anaovana fotodrafitrasa fa ny mpanjifa avy hatrany. Raha mandray ohatra momba ny tetikasa fanamboaran-dalana, ohatra, dia misy ilay fandoavam-bola manelanelana ireny lalambe ireny (système de péage autoroute). Mivantana avy hatrany amin’ilay orinasa nahazo ny antoka ny vola aloan’ny mpanjifa mpampiasa sy mandalo amin’ny lalana. Ilay orinasa nahazo an’ilay tsena no mikarakara ny fikojakojana ny lalana satria izay no voafaritra anaty fifanarahana.. Ilay orinasa nahazo an’io antoka io no mandray an’ilay “péage” na firy taona na firy taona mandra-piverin’ny volany. Ny fanjakana kosa no manara-maso izany ary tena sarotiny ny olona amin’ny fahatsarana sy ny fanajana ny lalana satria izy no mandoa vola mivantana. Rehefa tapitra ny fifanarahana dia azo avaozina indray na mitady mpiara-miombon’antoka hafa indray. Marihina fa ilay mpandray ny antoka (soumissionnaire) dia tsy maintsy manam-bola anaovana an’ilay asa hatramin’ny farany. Tsy misy ahafahana manao kolikoly arak’izany satria tsy misy vola miala amin’ny fanjakana. Mifanohitra tanteraka ny misy aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana izany satria tsy miasa ny orinasa aty fa miandry volan’ny fanjakana aloa, hany ka manao petatoko sy zara fa vita izy ireo satria efa kely ihany koa ny vola noho izy efa nandalo paosy maromaro.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.