Mpikambana feno ao amin’ireo tsena afrikanina lehibe tahaka an’ny Comesa sy Sadc i Madagasikara.
Ny fisian’ny toerana malalaka ifanakalozan’ny kaontinanta afrikanina (ZLECAF) dia tombony ho an’ny firenena Malagasy. Hatreto anefa dia tsy misy ny fitomboan’ny fanondranana hatramin’ny nidirana mpikambana tamin’ireny. Ao amin’ny Comesa izao, ohatra, dia hanjakan’i Egypta ny tsena ary hita taratra izany amin’ireo entana avy amin’izy ireo hita eto amintsika tahaka ny menaka sy ny fromazy. Etsy an-daniny dia hanjakan’i Afrika Atsimo ny tsena ao amin’ny SADC ary tsy vitsy ihany koa ny entana vita any aminy no tafiditra eto amintsika. Tena misy ny tsena fa ny Malagasy no tsy mamokatra ary tsy mba afaka mifaninana akory amin’ireo firenena afrikanina mpikambana. Raha mba mamokatra ary dia tena kely ary tsy mahenika ny tsena iraisam-pirenena. Olana ihany koa ny fahosantsika eo amin’ny fanaovana fifampiraharahana amin’ny tsena lehibe tahaka itony. Ny any Maorisy izao rehefa hanao fifampiraharahana amina resaka tsena ivelany dia tena maro an’isa izy ireo no manatanteraka izany ary tena miezaka mafy hahazoany ny tsena iray. Ny eto amintsika mifanohitra amiin’izay satria efa sady vitsy no mandeha manao fifampiraharahana no fahazarana fotsiny ihany no ataony. Vokany, ireo firenena matanjaka ao anatin’ireo tsena ireo hatrany no mahazo tombony amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny ara-toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.