Ainga vao teo amin'ny tantarany no hiainan'ny orinasa Kraoma ao Brieville ankehitriny, raha ny fanazavana avy eo anivon’ny tompon’andraikitry ny orinasa.
Nifoha tamin'ny toromasony nanomboka tamin'ny faran'ny volana oktobra 2018 teo ny Kraoma . Tonga nanome tosika vaovao izany ny manampahaizana rosianina. Havanana amin'ny sehatry ny fitrandrahana izy ireo, indrindra ny harena ankibon'ny tany. Nitondra solika izy ireo . Novahany ny olan'ny herinaratra. Fiainam-pampandrosoana vaovao no misy ao Brieville ao. Voailika avokoa ireo karama tsy nefaina hatramin'izay. Asa vaovao no hatrehin'ny mpiasa. Ao an-tsaina ny handray vola amin'izay . Ho afaka hiahy ny ankohonana. Ampy ny ho sakafo azy ireo sy hampianaran-jaza. Misy ny loharanom-bola hividianana fanafody ho an'ny tsy salama sy ny hafa marobe tsy voatanisa. Ireo rehetra ireo no tanteraka noho ny fijoroan'ny fanjarian'asa iombonana. Samy mahita tombotsoa ny malagasy sy ny rosianina KRAOMA mining SA sy ireo hafa rehetra. Fomba fiasa eo amin'ny tany mandroso ary fanao iraisam-pirenena amin'ny fisarihana mpampiasa vola ny fametrahana teknolojia avo lenta amin'ny asa fampandrosoana ankapobeny, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy tongatonga ho azy izany ny firotsahana sy tosika avy amin'ireo mpampiasa vola rosianina. Mifamatotra hatry ny ela eo amin'ny fisakaizana sy ny fiaraha-miasa amin'ny lafiny maro sy misandrahaka i Madagasikara sy i Rosia. Misy ny fifampitokisana azo alain-tahaka ho an'ny firenen-kafa eo amin’ny roa tonta. Ailika miandalana amin'ny fotoana maha mety azy ny trosan’ny orinasa ary araka ny vokatra miakatra sy ny varotra ahazoana tombony avy amin'ireo akora notrandrahana. Raha oharina amin’ny firenen-kafa zatra mitsetsitra antsika dia hafa dia hafa mihitsy ny rosianina. Mampita ny fahaiza-manaony izy, ary voafaoka amin'izany ny fampandrosoana. Hatreto izany dia fandotoana ranofotsiny no asesik'ireo tsy mankasitraka io fiaraha-miasa io ary asehony amin'ny fihetsika entina hanozongozonana ny zotra hizoran'ny orinasa izany. Miseho amin'ny fomba samihafa ny fampitahorana ny mpiasa . Tahotry ny ho very asa sy tsy ahitana lalan-kombana no hijoroan'ireo mpiasa ankehitriny izay sarotra rebirebena sy havilivily lalana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.