Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo, etsy Antaninarenina, omaly fa feno 100 taona amin’ity taona 2020 ity izany tranobe izany.
Maromaro ny hetsika hanamarihana izay. Handritry ny taona 2020 manontolo, hoy ny fanazavana, no hisy hetsika hatrany toy ny fambolen-kazo, ny fitokanana ny sekoly momba ny varotra sy ny indostria na ESTI etsy Antanimena ary ny fanavaozana ny tranobe etsy Antaninarenina koa. Ny andiany faha-7 amin’ilay hetsika ho an’ny famoronana “Voatra” kosa no hamaranana ny fankalazana. Raha tsiahivina, ny taona 1896 no nanomboka nisy ny tranoben’ny varotra teto Madagasikara. Ao anatin’ny rafitry ny minisiteran’ny varotra sy indostria izy ary natao hanatona indrindra ireo sehatra tsy miankina sy ny faritra nametrahana azy. Ho an’Analamanga manokana dia mandrakotra kaominina miisa 134 ao anatina distrika miisa 8 ity rafitra ity. Ny orinasan-tserasera Telma, izay mpanohana ofisialy ny hetsika, moa no hanampy amin’ny fampahafantarana ny lalana nodiavin’ity rafitra ity nanomboka tamin’ny niforonany ny 14 oktobra 1920 ka hatramin’izao, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.