Dossier

Trafikana sokatra 10 196 tany Toliara Nampaneno lakolosy ny WWF sy ny TSA


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Ny 9 aprily 2018 no nahatrarana zana-tsokatra miisa 10.196 tany Betsinjaka tany Toliara II, izay maro no niandry ny tohin’ny raharaha, ary omaly no fotoana nomena fa hiakarany fampanoavana.

 Nialoha an’io, izany hoe ny alahady 22 oktobra lasa teo dia nanao fanambarana ireo mpiaro ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny WWF Durrell et Turtle Survival Alliance (TSA), izay nanamafy fa tsy tokony havotsotra ny mpandroba sy mpanondrana ny biby harovana izay harem-pirenena araka ny lalàna laharana 2005‑018 tamin’ny 17 oktobra 2005. Mila tsaraina araka ny lalàn’ny CITES (rafitra hiarovana ny biby sy ny zava-boahary ahiana ho lany tamingana) ihany koa ireo tambajotra tompon’antoka niainga tany amin’ny nahatrarana azy mipaka amin’ny tena atidoha ankoatra ny fampiharana ny lalàna hafa mifandraika amin’ny heloka natao momba ny fanondranana harem-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT