Nisy ny fiofanan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny varotra notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina omaly.
Ny fijerena antsipiriany ny fifandraisana ara-pirenena sy ny diplomasia mahakasika ny varotra no niompanan’ny fiofanana. 25 ireo mpiasan’ny minisiteran’ny varotra misahana ny varotra ivelany no nozaraina traikefa. Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa ireo mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny varotra ifandraisana amin’ny any ivelany. Tahaka ny fanao isan-taona moa dia ny fikambanana maneran-tany momba ny varotra (OMC) no tompomarika amin’ity fiofanana ity. Anisan’ny nojerena sy nohazavaina tao ny momba ny fifanarahana ankapobeny ny amin’ny saran’ny fadin-tseranana sy ny varotra (GATT) ary ny fifandraisan’izany amin’ny OMC. Ilaina hatrany ny fiofanana tahaka itony satria sehatra iray tsy azo ihodivirana mampahatanjaka ny toekaren’ny firenena iray ny fifehezana ny varotra ivelany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.