Anisan’ireo tranoheva nandritra ny “salon de l’emploi et des formations” natao ny faran’ny herinandro teo ny an’ny CNaPS.
Hita tao ny fampahafantarana ny zon’ny mpiasa tsirairay eo amin’ny tontolon’ny asa ka nandraisan’ny mpiasan’ny tahirim-pirenena ireo tanora mbola eo amin’ny sehatry ny fitadiavana asa, liana te-hahafantatra misimisy kokoa ny momba ny asa sahanin’ny CNaPS andaniny fa ankilany ihany koa ireo efa am-perin’asa izay nanana taratasy nokarakaraina na nanontaniana ny Tahirim-pirenena mikasika ny karazana fanampiana tokony hisitrahany. Nomena fanazavana, notolorana hevitra na koa nomena teny miafina (mot de passe) izy ireny ho an’ireo naniry hijery mivantana ny kaontiny momba ny latsakemboka naloan’ny mpampiasa azy hatrizay naha mpikambana azy teo anivon’ny CNaPS. Samy tolotra afaka nomen’ny CNaPS tamin’ny alalan’ny tranohevany teny amin’ny Village Voara avokoa ireo. Ny nandray vola ihany na nanome vola no hany tsy vita teny an-toerana ho an’ireo izay te handoa latsakemboka, ohatra na koa haka vola fanampiana fa ny sisan’izay dia vita teny an-toerana avokoa. Ankoatr’ireo dia nitondra fanazavana betsaka momba ireo tanora vao hiditra amin’ny sehatry ny asa ny CNaPS ka nampahafantatra ireo karazana zo tokony hisitrahan’ny mpikambana. Nisy ihany koa ny torohevitra ny amin’ny hisian’ny fihatsarana eo amin’ny tontolon’ny asa dia ny fifandraisan’ny mpiasa samy mpiasa sy ny fifandraisan’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Miteraka fiarahamonina mahafinaritra eo amin’ny tontolon’ny asa io nefa koa mampitombo ny vokatra hoy Atoa Raobijaona Bruno, Tale misahana ny mahaolona eo anivon’ny CNaPS nandritra ny velan-kevitra nataony.Nilaza ho afa-po .Nampiavaka ny Tranohevan’ny CNaPS tamin’ity indray mandeha ity ny nandraisany CV (Curriculum Vitae) izay naterin’ireo tanora maro tonga teny an-toerana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.