Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,
toa manepotra ny tanan'i Toamasina. Fidinana tampoka tsy nampandrenasana izy ity, taorin'ny fampahatsiahivina nataon'ny foibem-pitondram-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsinanana tamin’ny 2018. Tamin’ny famaranana ny fitsidihana, dia tezitra sy sendaotra ny minisitra raha nahita ny menaka maloto avy amin'ny faikan’akoranafo mivarina mandoto ny lakandranon’ny Pangalanes. "Tsy maintsy manao fanadiovana ireo orinasa tompon'antoka amin'izao toe-javatra izao", hoy Rtoa minisitra teo imason'ny Tale Jeneralin'ny HITA sy mpiara-misa aminy sy mpanao gazety maromaro. Nifampitafa sy nifampiresaka mivantana tamin’ny mponin’i Toamasina ny Minisitry tamin` io andro io. Tonga nanatrika izany tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ireo solontenan’ny mpitondra fanjakana ao an-toerana, ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora izay maniry handray anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Ny momba ny fandrosoana lovain-jafy no nifampiresahana, isan’izany ny tontolo iainana, ny fomba fanombanana ny fiantraikan’ny tetikasa iray eo amin’ny tontolo iainana, ny rano, ny fizahan-tany, ny toekarena manga, ny toekarena maitso.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.