Dossier

Tompona orinasa eto Madagasikara Sahirana mitady olona manana traikefa


  • Talata 30 Oktobra 2018

Notanterahina tetsy amin’ny hotely Le Pave omaly alatsinainy 29 Oktobra ny hetsika fampirantiana ahafahana mampifandray ny asa sy ny fianarana.

 

 

Tanjona ny ampahafantarana fa tena azo ampiarahina tsara ny fianarana sy ny asa. Tombony amin’izany ny fananan’ny mpianatra ny traikefa izay tadiavin’ny orinasa mandrakariva rehefa mandray mpiasa izy ireo. Anisan’ny lesoka hitan’ireo tompona orinasa sy mpampiasa eto Madagasikara ankoatra ny havitsian’ny asa misy mantsy ny fahasahiranana mitady mpiasa manana traikefa. Araka ny fanazavan-dry zareo avy eo anivon’ny HEDM, izay rafitra iray mikaroka izany, dia mifantoka any amin’ny tsy fifandraisan’ny fianarana sy asa ataon’ireo tanora ny olana eto amintsika. Nilaza moa ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana ary ny fampananana asa fa raha ireo tanora nivoaka teo anivon’izay fampianarana teknika izay fotsiny, ohatra, dia efa manodidina ny 5.000 isa eo saingy mbola manahirana azy ireny hatreto ny mahita asa mifanandrify amin’ny fianarana nataony. Ireo mpianatra nivoaka tamin’ireo sekoly ambony matanjaka hatrany mazàna no raisin’ireo mpampiasa saingy mbola misedra izay olana izay ihany koa. Anisan’ny tokony ho laharam-pahamehan’izay filoham-pirenena ho lany eo ny fanarenana ity tontolo iray ity.

J. Mirija/Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT