Dossier

Tombontsoa ara-barotra Tena sarotiny ny firenena matanjaka


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Tena sarotiny ny firenena mandroso rehefa voakitikitika ny tombontsoany, indrindra ny amin’ny ara-barotra.

 

Taorian’ny nandraisan’ny biraon’ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) ireo fepetra vonjimaika ny amin’ny fanondranana entana dia misesisesy ny fitsidihana sy ny fangataham-panazavana. Tsiahivina fa efa firenena 3 manana tombony ara-barotra eto Madagasikara sahady no nandalo teo anivon’ny ANMCC mba hiaro ny anjara tsenany. Anisan’izany ny firenena Egypta sy Maorisy ary tamin’ny farany teo ny Indonezia. Ho avy ihany koa ny delegasiona avy any Sina amin’ny 12 martsa ho avy izao hangata-panazavana sy hiezaka hiaro ny tsenany sy ny tombontsoany. Maninona ny tompon’andraikitra eto amin’ny  firenena Malagasy no tsy mba mahavita fitiavan-tanindrazana izany mihitsy hatreto. Mainka aza famonoana mpandraharaha hatrany no natao ary raha misy ny tafavoaka dia fingana sy kapa ranjo no mahazo. Tena manao ny ezaka rehetra ireo firenena matanjaka ny hitazonana ny anjara tsenany na dia kely aza. Ny eto amin’ny firenena dia baranahiny sady tsy misy fitsinjovana mpandraharaha satria tsy vitan’ny iharan’ny fifaninanana tsy ara-drariny izy ireo fa halentika hatramin’ny farany izay tafavoaka satria eo foana ilay toe-tsaina ory hava-manana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT