Tsy nanadino ireo olona nandray anjara tamin’ilay tombola nokarakarainy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook ny banky BNI Madagascar mikasika ny fandraisan’ny ekipam-pirenena BAREA anjara amin’ny lalao CAN 2019.
Nisy ilay hetsika « Barea Saturday » notanterahiny nifandraika tamin’izany ny sabotsy teo teny Ankorondrano ka olona maromaro no notolorana fanomezana. Tsiahivina moa fa vonona hatrany ny hanampy ireo olona maniry ny hanokatra kaonty ao aminy ity banky iray ity. Mahazo tee-shirt Barea sy kaskety avy hatrany ireo izay nanao, amin’ny maha mpanohana ny lalao ny banky BNI. Natao kosa ny “Barea Saturday” hampahafantarana ny olona ny fomba fidirana ho mpikambana ao amin’ny banky sy hampavitrika ny rehetra handray anjara amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.