Dossier

Tolotra « Pack Immo » Manome fihenam-bidy 50% ny Vidy Varotra


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Zanak’omby tsy ampianarin-domano tokoa raha ny mpiara-miasa mpiray donak’afo amin’ny gazety Vidy Varotra ireo mpisehatra ny tolotra sy tinady eo amin’ny tontolon’ny trano sy tany amidy na haofa ary koa mitady mpitantana.

 

 

Ho fanamafisana bebe kokoa sy hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta dia nisy ny famelabelaran-kevitra ho an’ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny tany sy ny trano, efa niara-niasa taminy hatramin’izay, tamin’ny alalan’ny fandefasana tolo-barotra ao aminy, ny gazety Vidy Varotra, omaly, teny Soarano. Anisan’ny tena nahaliana an’ireo mpiara-miasa nanatrika ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny gazety Vidy Varotra kosa ny tolotra « Pack Immo », izay omaly mihitsy no namoahana azy voalohany tamim-pomba ofisialy. Misy karazany 3  azon’ireo mpanao tolo-barotra isafidianana izy io, ka hahazoana fihenam-bidy 20% hatramin’ny 50% amin’ny tolo-barotra ataony. Nahazo tombony ihany koa ireo izay namandrika toerana ho an’ny tolo-barotra izay tiany, tamin’ny andron’ny omaly, satria avy hatrany dia nahazo fihenam-bidy 50% izy ireo. Mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny Groupe Vidy Varotra ihany koa moa ity fiaraha-midinika ity. Raha indray mandeha isa-kerinandro tokoa mantsy no nivoahan’ity gazety ity, tany am-piandohana, dia efa in-telo isa-kerinandro izy ankehitriny ary 30.000 isa no fitambaran’ny gazety mivoaka ao anatin’ny herinandro iray. Efa manana ny tranonkalany ihany koa ny gazety Vidy Varotra, izay misy mpitsidika an’arivony isan’andro sady ahitana mpanjifa manodidina ny 1.000 isa ihany koa. Etsy an-daniny, misy ihany koa ny pejy Facebook-n’ny gazety Vidy Varotra, izay misy mpanaraka 16.000 isa. Marihana hatrany fa ny gazety Vidy Varotra no gazety voalohany indrindra miompana ranofotsiny amin’ny tolo-barotra toy izao eto Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT