Dossier

Tolom-panafahana nifandimby Tsy mahay maka lesona ny antoko HVM


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Ny zavatra nitranga teny Analakely ny sabotsy 21 aprily 2018, izay nitarika faharatrana sy fahafatesan` olona, dia mampatsiahy ireo tolom-panafahana nifandimby teto Madagasikara tamin`ny taona 1972, 1991, 2002, 2009.

 Leo ny geja ataon`ny mpitondra ny vahoaka satria latsaka any anaty lavaky ny fampahantrana ny faripainan`ny Malagasy ankehitriny. Amin`ny maha tolom-panafahana ataon`ireo solombavambahoaka dia mazava ho azy fa misy ny zavatra itovizana amin`ireo tolona nifandimby teto hatrizay ary maro ny lesona azo tsoahina amin`ireo toe-draharaha mampalahelo.

Voageja

Amin`ny maha tolom-panafahana ataon`ireo solombavambahoaka nitsipaka ireo volavolan-dalàna miteraka resabe dia misy ny zavatra itovizana amin`ireo tolona nifandimby teto hatrizay. Tamin`ny taona 1972, hita fa taratry ny fangejana sy tarazon`ny fanjanahantany ihany notohizan`ny mpitondra nifandimby teto, izany hoe karazana saribakoly ihany ny fiainan`ny vahoaka Malagasy. Izany no niadiavan`ny vahoaka aloha ka aleo alaina madiodio ny fitakiana toy ny fampiasana ny tenim-pirenena, ny fanomezana vahana fomba rafi-pitantanana ho an`ny Malagasy ... Taty aoriana, mbola nisy ihany ny fanjanahana fa somary an-kolaka ny endriny. Ny fomba ara-toekarena sy fomba fandraisana fanapahan-kevitra teo amin`ny firenena kosa no somary misy hery avy any ivelany mifehy amin`ny fangalana fanapahan-kevitra ka nisy fiantraikany amin`ny safidy politika ataon`ny mpitondra. Izay no mahatonga ny mpitondra mitazona an`ilay fahefana hifehezana an`ilay vahoaka satria ahafahana manome fahafaham-po an`ireo vahiny. Hiaraha-mahita tokoa fa izy ireo no tompon’ny seha-piariana voalohany sy fahatelo eto amin`ny firenena. Izy ireo no mifehy ny toekarentsika ary milalao ny aim-pirenena. Vokatr`izay dia izy no mampifandray an`ireo tolom-panafahana nifandimby hatrizay, izany hoe ny tena Malagasy tokony hizaka feno ny zony, ny fahafahana mihary malalaka ny fanapahan-kevitra amin`izay hitondrana ny firenena. Tsapan`ny Malagasy fa tsy ho tompony izy amin`ny fanapahan-kevitra. Ohatra ny fifidianana, toa zara lasa fomba amam-panao fotsiny ilay mifidy fa tsy misy intsony ilay hoe zo ankehitriny.


 

Karazana mpitondra

Efa saika nandalo teo amin`ny fitondrana avokoa ireo karazan`olona rehetra. Tao ny mpampianatra, ny profesora, ny miaramila, ny mpandraharaha, ny manampahaizana manokana amin`ny kaonty. Teo amin`ny fitondrana avokoa ny manampahaizana na ireo mpandraharaha manana maha izy azy. Mipetraka eto ny fanontaniana : maninona isika no tsy mety tafavoaka ? Betsaka ny olona mahay saingy vitsy ny olomanga. Rehefa manao fifanarahana amin`ireny mpamatsy vola ireny kanefa tsy mahay mandanjalanja izay zavatra hifamatorana dia atahorana hatrany ny fiverenan`ny krizy eto amintsika na afaka dimy na folo taona. Amin`izao vanim-potoana fivoaran`ny teknolojia sy serasera mantajaka izao no hitiliana izay mpitondra mahafehy ny fitondrana.


Takian`ny vahoaka

Nandritra ireo tolom-panafahana nifandimby teto dia nitaky fandriampahalemana, famelana alalana amin`ny fampianarana, fanamorana ny fidirana amin`ny sampandraharaham-panjakana, raha toa ka takiana hetra dia tokony hazava ny tamberin`izay mankany aminy. Mifanohitra amin`izany ny miseho ankehitriny satria raha sendra olana ohatra ka mitory ianao dia ahiana ianao indray no tsy hahazo rariny. Ireo zavatra ireo foana no hifamohafaho amin`ny famotehana ny fiarahamonina satria vokatry ny fitiavan-tenan`ny mpitondra na ireo firenena ao ambadik’izy ireo no milalao ireo mpilalao politika. Izany indrindra no mahatonga ny firenena tsy mety tafarina ary leo ny olona.


Mila maka lesona

Lasa toerana fanaovana fitakiana politika ny toeran`ny 13 mey eo Analakely ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Maro ireo tranga mampifandray ireo tolona voalaza ireo amin`ny vanim-potoana ankehitriny. Mampatsiahy ny toe-draharaha politika tamin’ny 1991 izay nananganana « Mandatehezana Miaro ny Sosialisma Malagasy » (MMSM), rehefa akaiky hirodana ny fitondrana, izao vanim-potoana diavintsika ankehitriny izao. Lasa manohana ny fitondrana ireo mpanao politika mpamadika palitao fanta-daza ny volana aprily 2018. Lalana efa nodiavin’ny Antoko AREMA izao mbola miseho masoandro izao satria tsy mahay maka lesona amin’ny tantaram-pirenena hatrany ny mpitondra. Ary ho lesona ho an`ny rehetra mihitsy izao toe-draharaha izao, ka tsy ho ny Malagasy intsony ilay vahoaka mpiasabe diso be fandeferana toa mbola voazanaka, na sanatria koa mora jonoina amin’ny variraiventy, fa hanara-maso sy hitsikera mandavan-taona izay tsy mety ataon’ireo hitondra ny firenena na olom-boafidy na olom-boatendry. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT