29 martsa 1947 – 29 martsa 2019. Feno 72 taona rahampitso ny nisian’ny raharaha 29 martsa 1947.
Samy nanana izay namaritany sy niantsoany ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany amin’ny ankapobeny ireo mpandinika raharaham-pirenena sy tantara. « Tolom-piavotana », hoy ny fampianarana sy fampatsiahivana azy eny amin’ireo ambaratonga fototra. « Tolom-panafahana » kosa ho an’ireo manomboka mihazo ny ambaratonga faharoa raha izay resaka fampianarana tantara ny dimby sy fara izay hatrany no asian-teny.
Tsiahy fohy
Feno 50 taona no nisian’ny fanjanahantany teto Madagasikara (1896 – 1946). Efa maro ireo hetsika nanoherana ireo endrika tsindrihazolena nataon’ny mpanjanaka toy ny asa an-terivozona sy tsy misy karama ary ny asa 30 andro izay asa tsy maintsy ataon’ny tovolahy feno 18 taona. Anisan’ireo nanoherana ny Frantsay koa ny karatra isan-dahy izay aloa isan-taona, miampy ny fanadiovana ny arabem-panjakana. Voalaza ho tsy zaka indrindra tamin’izany moa ny atao hoe SMOTIG na “service de main d’oeuvre pour les travaux d’intéret général”. Io ilay asa an-terivozona manao lalana , tetezana, tonelina. Ny lalamby mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, Antananarivo sy Antsirabe, Fianarantsoa sy Manakara dia tamin’ny alalan’ny SMOTIG avokoa no nahafahana nanatontosa azy. Tao koa ireo tranom-panjakana isan-karazany. Maro tamin’ireo mpiasa no voalaza fa matin’ny hanoanana noho ny tsy fahampiana sakafo, ary mba hialana amin’izany dia nandositra ny tanàn-dehibe mba tsy voaantso ireo mbola velon’aina. Ny ankizy mianatra tamin’izany dia vitsy fa nampiasain’ny colons amin’ny karama varimasaka ny ankamaroany. Ny zanaky ny manan-katao ihany no afaka mankany an-tsekoly. Taty aoriana, nisy sekoly naorin’ireo misionera katolika sy misionera protestanta, anglikanina. Teo koa ny sekolim-panjakana, ny Ecole regionale isaky ny faritany 6. Ireny rehetra ireny dia namoaka ankizy vita fianarana araka ny sokajy sy lalàna napetraky ny fanjakana Frantsay izay nomeny anarana C.E.S.D (Certificat d’Etude du Second Degré ). Izany no voalaza ho fari-pahaizana ambony indrindra azon’ny Malagasy norantovina tamin’izany.
VVS
Noho io fanerena ny fari-pahaizana tsy ho lasa lavitra io moa no nahatonga ny fitraoran’ireo tia karokaroka hitady izay fomba rehetra ahafahana mandranto fianarana ambony kokoa. Voalaza fa anisan’ny nanampy betsaka ireo tia tanindrazana teto Madagasikara ireo tia tanindrazana tao Parisy, renivohitr’i Frantsa. Anisan’izany ny dokotera Raseta, Ravoahangy Andrianavalona, Raherivelo Ramamonjy sy ny maro hafa. Nanamafy ny fitondrany ny mpanjanatany, ka vao mainka nanenjika ireo mpianatra na dia niafina araka izay azo atao aza. Nahita irika foana hamelezana ny mpianatra foana ny fanjakana frantsay ka maro tamin’ireo dokotera no resy lahatra namorona ny fikambanana miafina antsoina hoe Vy, Vato , Sakelika na VVS. Efa mahina ireo Frantsay, ka anisan’ny voasambotra tamin’izany ireo mpianatra sy olon-kafa tany ivelany toa an’i dokotera Raherivelo Ramamonjy , dokotera Razafimanisa, dokotera Olafson Rajaonarison, pastora Ravelojaona, pastora Rabary, mompera Manifatra Venance, Raphaël, Rafiringa , Rabenja. Nosamborina ary nampijaliana sady nalaina am-bavany nandritra ny fotoana maharitra, nalefa tany Nosilava, nisy natao sesitany tany Port-Berger, Sainte Marie, Maintirano sy Diego izy ireo, raha ny tantara hatrany. Rehefa notanana maharitra anefa dia novotsorana ihany, kanefa mbola narahi-maso nandritry ny fotoana naharitra.
22 febroary 1946
Ny 22 febroary 1946 no natsangan’ireo Malagasy tia karokaroka “tia tanindrazana” tao Parisy ny antoko politika MDRM na “Mouvement Démocratique de la rénovation Malgache” izay notarihin’ireo manampahaizana Ravoangy sy Raseta ary Rabemananjara. Nahagaga ireo mpahay tantara ihany ny fipariahan’ny tolon’ity antoko ity vetivety nanerana ny nosy ary herintaona mahery kely taorian’ny niorenany no nipoaka ny raharaha 29 martsa 1947. Napetraky ny fitondrana mpanjanaka entina hanoherana ny hetsiky ny MDRM moa ny fananganana ny antsoina hoe PADESM na “Parti des deshérités de Madagascar” izay voalaza fa nanorenana adim-poko satria ireo mponina avy any amin’ny faritra no nandrafitra azy raha ny teto afovoan-tany no nandrafitra ny MDRM.
Tabataba 1947
Inona marina tokoa ary no tena nitranga ny 29 martsa 1947 ? Voampanga ho nanafika sy nandoro ny toby miaramila tao Moramanga ary nanaparitaka fikomiana tamin’ny frantsay izay nanjanaka ny firenena ny antoko politika MDRM sy ireo nitovy fijery taminy ny alin’ny 29 martsa 1947 ka natao haza lambo, raha ny raki-tsoratra voatahiry ao amin’ny gazetim-panjakana nivoaka tamin’izany. Nandà mafy hatramin’ny farany ny fiampangana azy anefa ireto farany. Teraka nanomboka teo ny fifanandrinana mahery vaika sy mahatsiravina ka teratany malagasy tsy hita isa (lehilahy, vehivavy, ankizy, zaza) no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana isan-karazany. Nisy teratany vahiny maro namoy ny ainy koa, hoy ny tantara. Malagasy maro no voaheloka ho faty, tsy vitsy koa ireo notanana am-ponja sy natao sesitany. Na lalamby na arabe dia nahitana fahatapahana avokoa. Tanàna betsaka no may tao anatin’ny fotoana fohy monja. Nisy fahatapahana hatramin’ny fifandraisana an-tariby. Napetraka ny fitondrana miaramila na “état de siège” tamin’ireo toerana noheverina ho faritra mena tamin’izany dia i Vohipeno, Manakara, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro, Vatomandry, Moramanga ary Ambatondrazaka. Nalain’ny fanjakana ny fiarakely mpitatitra olona na “taxi” niasa teto an-drenivohitra. Nofoanana ny tsenan’Anjoma teto Antananarivo mba hisakanana ny fifamezivezen’ny olona avy any ambanivohitra. Norarana ny varotra fitaovam-piadiana teto an-toerana. Nivoaka ny 10 mey 1947 ny didim-panjakana nanafoana tanteraka ny antoko politika MDRM sy JINA ary PANAMA.
Ny hevitr’ireo olom-pirenena
Samy manana ny zavatra tonga ao an-tsainy avokoa ny olom-pirenena tsirairay rehefa miresaka 29 martsa 1947. Ao ny hoe Malagasy natao tanaty Wagon norarafan’ny sonagaly tamin’ny basy marovava tao Moramanga. Maro koa anefa ireo tsy nahita ambara. Tapaka sy tsy ampy fandalinana ny tantara ny dimby sy fara, hoy ny mpahay tantara. Ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny gazety Tia Tanindrazana (TT)
Tia Tanindrazana (TT) :
Inona no azonao ambara mikasika ny datin’ny 29 martsa 1947 ?
Paul Ramandimbison (Raiamandreny ao Nosy Varika) :
Matoa ireo olona ireo nitolona dia ho an’ny tanindrazana. Tokony hohajaina fa tsy atao very momoka ny fahatsiarovana ny zava-nisy. Aoka tsy ho vitan’ny fanateram-boninkazo fotsiny. (Sary 1: Paul Ramandimbison)
Mirana Rakotoarivony (Mpianatra):
Andro manan-tantara ho an’ny Malagasy ny 29 martsa 1947 satria tolona anisan’ny nahery vaika indrindra niadiana tamin’ny fanjanahantany. Niady mba ho afaka tamin’ny tsindrihazolena samihafa ny Malagasy. Na dia nahazo fahaleovantena aza anefa ny Malagasy dia mbola miaina anaty fahantrana lalina. Azo anaporofoana kosa fa nahazo fahafahana noho izay tolona izay isika dia satria afaka miasa, mianatra, miaina an-kalalahana tsy misy teritery toy ny tamin’izany intsony. (Sary 2: Mirana Rakotoarivony)
Tia Tanindrazana (TT) : Inona no azonao ambara mikasika ny raharaha 29 martsa 1947?
Hemerson Andrianetrazafy (HA), mpahay tantara : "Adidy ny mitadidy" satria ny traikefa norantovina omaly no hanoritana ny ho avy. Nisy ra latsaka vao nihanoka fahaleovantena isika. Moa vitan'ny omaly ny efa fa toa mikorisa any amin'ny fanjanahana hafa indray isika na ara-politika, izay ataoko anaty fononteny hoe fianakaviambe iraisampirenena, na ara-toekarena, izay ataoko anaty fononteny koa hoe sinoa sy karana ?
TT : Tena tolon'ny tia tanindrazana ve ny 29 martsa 1947 ary inona no tena tanjona tamin'izany ?
HA :Nisy nofy ny fahafahana nifoha taorian'ny ady lehibe faharoa. Nandalo tamin'izany daholo ny tany voazanaka. Tantara lavabe io.
TT : Miombon-kevitra amin'ilay hoe ny frantsay ihany no tao ambadiky ny 1947 ve ianao sa tena tolon'ny tia tanindrazana madiodio no fahitanao azy amin'ny maha mpahay tantara anao ?
HA :Tsy fantatro ny fahazoanareo azy an ! Fa ny Frantsay niezaka ny hanapoaka korontana mba hifehezana ny hetsika ara-politika mitaky fiatrehana andraikitra nataon'ny MDRM. Talohan'ny martsa 1947 dia efa nikononkonona nanao fihetsiketsehana manoloana ny lapan'ny Gouvernorat tao Ambohitsorohitra ry zareo. Etsy an-danin'izay, nisy ny mpihetsika mahery vaika nokotrehin-dry Razafindrabe Ernest sy ry Monja Jaona tao anatin'ny fikambanana miafina JINY sy PANAMA. Tsy mifanohitra ireo fa aza atao fijery mitanila ny tantara ! Nisy ny tia tanindrazana ary tena nisorona ny ainy. Ny raibeko izao voasambo-belona tany Anosibe An'ala. Nigadra an-taonany teny Antanimora taorian'ny 1948. Nisy ny nihasohaso tamin'ny vazaha fa nisy koa ny paikady nanararaotan'ny vazaha ny hetsika sy ny fironana mba hamotehana azy.
TT :Ahoana tokoa ny fahitanao ny tanora ankehitriny sy ny tantaram-pireneny ?
HA :Tapaka sy tsy ampy fandalinana.
Nanangona sy Nandrindra : J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.