Dossier

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

 

 

 hoy ny vadin’ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fitokanany ilay tranoben’ny tanora izay nohavaozina sy nohatsaraina ao Ankilifaly Toliara. Betsaka ny zavatra azo hatao, hoy izy toy ny fianarana mandrary sy manao taovolo ao amin’ity tranoben’ny tanora ity mba hananan’ny vehivavy asa fivelomana maharitra sy mahaleotena ankoatra ny fitrandrahana ny kolontsaina noho ny hamaroan’ireo toerana manan-tantara ao Toliara. Ankoatra izay dia nampita hafatra tamin’ireo tovovavy sy vehivavy ihany koa Ramatoa Mialy Rajoelina mba hanao fanatanjahantena. Ao anatin’ny vatana salama sy tomady mantsy, hoy izy no misy ny saina matsilo hahafahana mikarokaroka izay hoenti-mampandroso ny fiainana ao an-tokantrano sy ny ankohonana. Hahafahana mianatra informatika maimaimpoana, zaitra, moa ao amin’ity tranoben’ny tanora ity, fitaovana izay vao novatsian’ny vadin’ny filoha tamin’ny faran’ny herinandro teo. Toraka izany koa ny fanaovam-bolo sy ny fikoloana ny tarehy, milina fanjairana,…. Tonga nitokana izany tany an-toerana moa ny ministry ny fanatanjahantena sy ny solontena maharitry ny FNUAP eto amintsika, izay mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny Association Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoha. Notokanana ny faran’ny herinandro teo ihany koa ilay ivontoerana fanaovam-baksiny ny zaza ao amin’ny hôpitaliben’i Toliara. Niampy fanolorana « couveuse” izay hikarakara ireo ankizy tsy ampy lanja.

 Pati sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT