Misy ny sehatra sy toeram-panofanana momba ny fikirakirana ny vato sarobidy (IGM) fa vitsy ny Malagasy mianatra noho ny tsy fahafantarana marina ny momba ny saram-pianarana ao. Raha vao miresaka an’io toeram-pianarana io fotsiny dia mihemotra ny ankamaroan’ny Malagasy ary mihevitra foana fa lafo be ny saram-piofanana.
Tokony hanantona ety amin’ny foibenay ety Ampandrianomby aloha ny rehetra manontany tsara momba ny vola aloa fa tsy mianona fotsiny amin’ny siosion-dresaka mandeha hoy ny Tale Jeneraly Rasolonjatovo Andrianirina. Ilay saram-pianarana manafosafo ny 25 000 000 Ariary izay lafo indrindra ato aminay foana no matetika fantatry ny olona nefa maro ny sokajim-piofanana takatry sarababem-bahoaka ato hoy hatrany ny filoha. Misy ny sarany 500 000 Ariary sy ireo latsak’izany nefa tsy fantatry ny olona mihitsy. Ao ny fiofanana fijerena na fitsirihana (traitement) ny kalitaon’ny vato, misy ihany koa ny fiofanana manodina ny vato (vato brute no taillena) io ilay hoe “lapidairerie na taillage” izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ankoatr’izay dia misy ny fampianarana fanodinana sy fanamboarana ny firavaka izay atao amin’ny tanana (bijouterie fantaisie). Miainga hatrany amin’ny 175 000 Ar, 220 000Ar, 360 000Ar ary 440 000 Ar ary mbola misy ihany koa ny tolotra 715 000 Ar izay fiofanana tsotsotra momban’ny fampiharana (gemmologie pratique). Nanazava ny tale jeneraly fa natokana ho an’ny olona mila ny farim-pahaizana ambony indrindra maneran-tany sy te ho matihanina amin’ny fikirakirana ny vato ilay saram-pianarana ambony indrindra. Tombony amin’io fiofanana io kosa aloha ny fahafahana manangana orinasa amin’ny anaran’ny tena manokana ary ankoatr’izay dia misitraka ny fitaovana rehetra ho enti-miasa avy hatrany amin’ny resaka fitsirihana vato. Etsy ankilany anefa dia misy ihany koa ny farimpahaizana izay eken’ny ministera omena eto Madagasikara ho an’ireo teknisianina nahavita ny fianarany eto. Mila manantona eny amin’ny toeram-pampianarana ny rehetra amin’ny andinindininy satria maro ny fiofanana ao ary misy aza fiofanana tsy ilàna farim-pahaizana hoy hatrany Andriamatoa filoha.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.