Matroka ny tarehimarika ara-toekaren’i Madagasikara ary voasokajy ho anisan’ny firenena tena marefo izy amin’ny lafiny maro taorian’ny fanapotehana sy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
Efa nahatratra 7,1% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena faobe tamin’ny taona 2008 ary taorian’izay dia tsy nahatratra 5% mihitsy hatramin’izao. 8,3% ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana (taux d’inflation) tamin’ny fiandohan’ny taona 2017 izay manempotra tanteraka ny vahoaka. Hatramin'ny nanombohan'ny krizy 2009, ny isan'ny mahantra sy tsy an'asa dia nitombo 4 tapitrisa sy 336.000 teto Madagasikara izay nampitotongana sy nampahantra tanteraka ny firenena, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Ankoatra izay, mbola maro ihany koa ireo sehatra tsy voafehy ary tsy handraisana fanapahan-kevitra kanefa hita izao fa tsy mahasalama ny toekarena.
Sehatra fambolena
Ny 74,5%-n’ny Malagasy dia misehatra amin’ny fambolena eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2015. Manome 25,6% monja amin’ny harinkarena faobe anefa io sehatra io. Tombanana eo amin’ny 2-3 taonina isaky ny ha eo ny voka-bary eto Madagasikara ary rehefa tena tsara ny vokatra dia mba mety mahatratra hatrany amin’ny 5 taonina. Nihatsara ny voka-barin’i Madagasikara tamin’ny taona 2018 raha oharina ny taona 2017. Na izany aza dia tsy mahavelon-tena i Madagasikara satria nanafatra vary manodidina ny 300 000 taonina ny Malagasy tamin’ny taona 2018 noho ny tsy fahampian’ny vokatra. Ny 4,5% monja amin’ny tetibolam-panjakana no atotona amin’ny sehatra fambolena kanefa raha tiana hisy fiaingana ara-toekarena dia tokony ho15%-n’ny tetibola farafahakeliny no haompana amin’io sehatra io. Olana ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiasana ny teknika moderna sy ny zezika amin’ireo fomba fambolem-bary. Manginy fotsiny ny tsy fahaiza- mitantana sy mifehy ny vokatra miakatra miaraka amin’ny faharatsian’ny fotodrafitrasa izay manena 15% hatrany ny vokatra isan-taona. Vahaolana ankehitriny ny fitodihana amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena (agri-business) ary maro be ireo tanora efa mitodi-doha amin’io sehatra io saingy tsy ampy ny fanofanana azy ireo. Tsy misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ireo afaka mamatsy vola. Tsy ampy ihany koa ny fiomanan’ny tantsaha amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay manimba hatrany ny vokatra.
Midadasika ny velarantany mbola azo volena
I Madagasikara no nosy faha-5 lehibe indrindra eran-tany manana velarana 587 000 km2 ary mponina 25,5 tapitrisa araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny taona 2017. Amin’ny 60 tapitrisa ha amin’ny velaran-tanin’i Madagasikara dia mbola misy 18 tapitrisa ha be izao ny tany mamokatra kanefa tsy voavoly. Tokony hanana tany azo ambolena 18,6km² ny mponina miisa 1000. Tombony be ho an’ny firenena izany ary tokony hampiroborobo ny sehatra fambolena izay iveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny fitrandrahana tany tokony hanaovana fambolena dia hanome vahana ireo tantsaha izay maro mitomoe-poana. Mahasehaka tanteraka ireo tantsaha maro an’isa mantsy raha io tany mbola malalaka be io. Tokony hahay hanararaotra ny Malagasy, indrindra ny fitondram-panjakana satria any amin’ny firenena hafa dia efa olana be amin’izao ny tsy fahampian’ny tany hanaovana fambolena na dia maro aza ireo mahay misehatra amin’izany. Ny tsy fahaiza-mifehy ny fampiasana sy ny fitrandrahana tsara ireo tany mbola malalaka ireo no mampitarazoka ny tsy fanjarian-tsakafo eto.
Matiantoka ara-barotra hatrany
Ny 46.3%-n’ny fanafarana ataon’i Madagasikara dia resaka sakafo sy fanafody ary akora fototra avokoa. Ny 11% amin’izany dia tena resaka sakafo fihinana mihitsy. Betsaka loatra ny fanafaran’entana atao mihoatra ny fanondranana mahatonga ny fatiantoka ara-barotra hatrany. Nahatratra 309,71 tapitrisa dolara na 1 095 753 980 000 Ariary ny fatiantok’i Madagasikara tamin’ny taona 2016. Na izany aza dia mitana ny laharana voalohany hatrany ny firenena amin’ny fanondranana lavanila sy jirofo tanatin’ny 3 taona farany. Mahatsara an’i Madagasikara ny mampandroso hatrany ny faritra iroboroboan’ireo vokatra tena mampidi-bola amin’ny fanondranana ireo. Ankoatra ireo dia efa mihatsara ihany koa ny fanondranana vokatra hafa tahaka ny makamba sy kakao ary dipoavatra. Olana anefa ny tsy fananana politika mazava ny amin’ny fanampiana sy fampirisihana ny tantsaha ny amin’ireny vokatra maro samihafa ireny. Hany ka miady irery ny mpamboly kanefa tena mamelona sady ain’ny toekarena Malagasy ireny vokatra ireny. Raha tena manome lanja sy miezaka milofo amin’ireo vokatra ireo fotsiny ny firenena Malagasy dia efa ampy hampanankarena azy izany.
Fehezin’ny vahiny ny sehatra manetsika toekarena
Saika ny vahiny hatrany no mamehy sy mahazo tombony amin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Madagasikara. Anisan’izany ny famokarana ireo entana fampiasa isan’andro tahaka ny menaka, ny savony ary ny siramamy (PPN). Rehefa niala tamin’ny mari-bola “franc” isika ary nametraka fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ny firenena frantsay dia nanomboka ny fotoana tsy nisian’ny PPN sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Eo amin’ny sehatra banky dia tsy mitondra fampandrosoana amin’ny maro an’isa mihitsy ny fitsanganany etsy sy eroa ary vahiny avokoa no tompony. Mandrafitra ny sehatra Banky eto Madagasikara ny fisian’ny banky tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 11 ka ny 10 dia rantsana avy any Frantsa sy Maorisy ary Afrika. Ny 5%-n’ny Malagasy fotsiny no misehatra eny amin’ireny banky ireny. Eo ny fahasarotan’ny taratasy fa tsy takatry ny maro an’isa ihany koa ny zana-bola apetraka izay mahatratra 16 hatramin’ny 18%. Maro be ny mpamboly, ny mpandraharaha ny olon-tsotra mba te hanodim-bola fa tsy tafavoaka noho ny fidangan’ny zana-bola. Ny 15%-n’ny Malagasy ihany no misitraka angovo araka ny tatitry ny minisiteran’ny angovo tamin’ny taona 2017. Amin’io 15% io dia ny 54% ny eto Antananarivo ary 6% monja ny any ambanivohitra. Ahiana ihany koa anefa ny mbola hamehezan’ny vahiny ny angovo azo havaozina satria tsy fantatry ny ankamaroan’ny tanora Malagasy akory izany na dia manankarena rivotra sy masoandro aza i Madagasikara izay azo havadika herinaratra. Hatreto, tsy mbola masaka ary tsy mahomby mihitsy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (PPP).
Mamotika toekarena ny fihenan’ny sandam-bola
Tsy nitsahatra nihena ny sandam-bolan’ny Malagasy nanomboka ny taona 1985 ary nahatratra hatramin’ny 6.000% hatramin’izao fotoana izao. Fihenan’ny sandam-bola 100% aza dia efa manapotika tanteraka ny toekarena ary izany no antony mampitarazoka ny fahantrana eto Madagasikara. Tokony hosoloina taha-bola tsy miovaova (taux de change fixe) ny tsena be ifanakalozam-bolan’ny banky vahiny (MID), hoy ny mpahay toekarena sady filohan’ny Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy, Ratsietison Jean Jacques nanome vahaolana. Nanomboka tamin’ny fanaovana ny MID dia lasa banky vahiny avokoa no miasa eto Madagasikara. Ny fanafoanana io sehatra io no hampihena ny vola avoaka any ivelany sy ahafahana mifehy ny fiovaovan’ny vidin’entana, indrindra hampiakatra hatrany ny fanondranana eto Madagasikara. Io MID io no mamaritra ny fiovaovan’ny sandan’ny Ariary ankehitriny. Ny banky ihany no mahazo tombontsoa amin’io satria maka tombony izy amin’ny fivarotany ny vola vahiny ao aminy ary mametra kosa rehefa hividy izany amin’ny olona tsotra na mpandraharaha iray. Ireto farany no mizaka ny fatiantoka sy ny fiakaran’ny vidin’entana izay manimba sy mamono ny toekarena.
Ny mpahay toekarena Ratsietison Jean Jacques
Tsy azo ihodivirana ny sehatra tsy miankina sy ireo seha-pihariana hafa
Ny 75%-n’ny vola miditra amin’ny alalan’ny hetra alaina amin’ny karama (IRSA) dia avy amin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Tokony hatao izay hampahomby ny 3P mba samy hahazo tombony ny fanjakana sy ny tsy miankina. Ny fampahafantarana ny tsena ho an’ny daholobe (appel d’offre) dia tokony hangarahara mba tsy hiteraka kolikoly hatrany amin’ny tsenam-baro-panjakana. Ilaina ihany koa ny fijerena ireo fitakiana ataon’ny sehatra tsy miankina mba ho tombony ara-toekarena tahaka ny fampidinana na fizarana 2 ny haba alaina amin'ny tataom-bidy (TVA) hitsinjovana ireo marefo. Misy sehatra hafa azo trandrahana ihany koa anefa hiteraka fampandrosoana ara-toekarena raha tena itodihana sy ilofosana. Raha tsy hiteny fotsiny ny momba ny teknolojia informatika vaovao sy ny fifandraisana (NTIC) izay iaraha-mahita ny fahavitrihan`ny vahiny mampiasa vola amin`io sehatra io. Maro ihany koa ny tanora Malagasy efa miasa amin`io sehatra io noho ny fahaizan`izy ireo mifehy mora izany ary koa tsy mahafatiantoka ny mpandraharaha. Ao ihany koa ny fizahantany izay tokony hifotorana satria mampidi-bola haingana raha manana finiavana ny fitondram-panjakana ny amin’ny vahaolana mahakasika ny faharatsian`ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana. 496 ny fanomezan-dalana nomena ny toerana misy fizahantany. Namorona asa 2830 ary niteraka vola 148 905 799 360 Ariary izany tamin’ny taona 2017. Ankoatra izay, manome 10% farafahakeliny amin’ny harinkarena faobe ny fizahantany tany amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ary namorona asa hatrany amin’ny 100 tapitrisa ka tokony hihazakazahan’i Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.