Dossier

Toekarena sy Sosialy Mbola marefo hatrany i Madagasikara


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy omaly 2 Jolay 2019 tao amin'ny Hotely Colbert ny tatitra voalohany momba ny valin'ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny Malagasy amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy mitambatra (MICS) natao teto Madagasikara.

 

Mbola mitoetra ho marefo hatrany ny Malagasy amin’ireo sehatra ireo araka ny fanadihadiana natao taorian'ny telo volana sy tapany nanangonam-bokatra. Tsiahivina fa nanomboka ny  faran'ny volana aogositra hatramin'ny faran'ny volana novambra 2018 no nanaovana izany ary olona miisa 180 no nanatanteraka ny fanadihadiana. Eo amin'ny sehatry ny fahasalamana dia nilaza ny valin’ny fanadihadiana fa amin'ny olona miisa 1000 teraka dia miisa 40 no maty alohan'ny fitsingerenan’ny taona voalohany nahaterahany; ary 59 mialohan'ny faha-5 taonany. Raha ny ara-tsakafo indray dia iray amin'ny zaza 2 latsaky ny dimy taona no mijaly amin’ny fitomboany, hita ho kely loatra ny vatany araka izany raha oharina amin'ny taonany. Raha ny momba ny fanabeazana dia iray amin'ny ankizy dimy eo anelanelan’ny 6 hatramin’ny 10 taona  ary ny iray ao amin'ny telo eo anelanelan’ny 11 hatramin'ny 14 taona dia tsy any am-pianarana avokoa. Ankoatra izany, ny zaza 5 ka hatramin'ny 17 taona dia efa miasa sahady. Ny antsasaky ny mponina ihany koa dia mbola tsy manana rano fisotro madio. Izany rehetra izany anefa dia mifamatotra ihany koa amin’ny toekarena ary ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy avokoa izay hita fa mbola lavitr’ezaka ny fanatrarana azy hatreto.

 

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT