Matroka ny tarehimarika ara-toekarenan’i Madagasikara ary taraiky hatrany izy amin’ny lafiny maro. Raha eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa manokana dia latsa-danja ary tsizarizary ny mba zava-bita.
Ireny lalana mba namboarina farany ireny tahaka ny tamin’ny fampiantranoana ireo firenena miteny frantsay dia simba sy miepaka sahady. Ankoatr’izay tsy mba misy ny fanatsarana ary raha manao fanamboarana aza dia petatoko hatrany ka tsy maharitra. Vitsy ny sekoly sy ny hopitaly any Ambanivohitra any ary raha mba misy aza izany dia tsy manara-penitra amin’ny tokony ho izy mihitsy. Ambany be arak’izany no mba misitraka ny fitsaboana, mbola betsaka ihany koa ireo mpianatra mipetraka amin’ny tany any ho any. Tsy mahagaga moa raha tsy lasa lavitra mihitsy ny sehatra fampianarana eto Madagasikara. Etsy an-daniny, saika mitsipozipozy avokoa ny seha-pihariana ary vitsy hatrany ny Indostria Malagasy mitsangana. Matahotra ny amin’ny tsy fahasalaman’ny tontolon’ny fandraharahana ny mpampiasa vola ary izany ihany koa no tsy mamparisika ny mpamatsy vola. Sarotra anefa ny mamerina ny fitokisan’ny mpanam-bola ary manampy trotraka ny laza ratsin’i Madagasikara amin’ny kolikoly. Izany rehetra izany no mandetika ny firenena anatin’ny fahantrana lalina ary tratra farany hatrany Madagasikara. Mila fanavaozana be miainga amin’ny rehetra indrindra ny mpitantana ny fitsipi-pitondran-tena ary mila miova tanteraka ny toe-tsaina miaro fahalovana misy eto.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.