Dossier

Toekarena maneran-tany Miadam-pamindra tanteraka


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Nanamarika tanteraka ny fihaonambe ara-toekarena faha-49 natao tany Davos Soisa ny jery todika nataon’ny filohan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena FMI,

 

 

 Christine Lagarde nanao ny famelabelarana nilaza fa nisy ny fihemorana ara-toekarena maneran-tany tamin’iny taona 2018 iny. Na ireo mpandray anjara fitenenana rehetra aza moa dia saika kely finoana avokoa ary manahy ny amin’ny mety hitohizan’ny famindra miadana ara-toekarena raha mijery ny tranga misy marina maneran-tany amin’izao fotoana. Tsiahivina fa amin’itony fihaonambe ara-toekarena itony dia mandray anjara ireo mpanambola sy mpanapa-kevitra ara-politika ary ny solontenan’ireo firenena miezaka mandresy lahatra  ny mpampiasa vola ho any aminy. Anisan’ny mahatonga ny maro ho manana fijery miiba amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ankehitriny ny disadisa ara- geopolitika tahaka ny ady ara-barotra misy amin’i Amerika sy Sina. Tahaka izany ihany koa ny mbola fanjavozavon’ny fifanarahana Brexit izay mety hampitotongana ny fitomboana ara-toekarenan’ny anglisy 5 hatramin’ny 8% raha tsy misy hatrany ny vahaolana. Raha amin’ity volana martsa 2019 tokoa mantsy ny daty voatondro hialan’ny Anglisy amin’ny faritra Euro, hatramin’izao tsy nahita marimaritra iraisana foana ny amin’ny fifanarahana maro satria samy miziriziry ny amin’ireo tombontsoa tadiavina. Manao ny ataony ihany koa ny firenena sasany mpikambana ao amin’ny faritra Euro tahaka an’i Italia sy Hongria izay tena mafy loha ary tsy manaiky sady tsy manaraka mihitsy ny fandaminana sy ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Eoropeanina. Manampy trotraka ny fiovan’ny modely ara-toekarena maneran-tany izay lasa manindraindra ny tsena anatiny aloha (commerce domestique), vao mihevitra ny tsena iraisam-pirenena izay politika nentin’i Donald Trump. Manimba ny marimaritra iraisana izany satria lasa mivoy be ny politika mikatona loatra (protectionnisme) izay lasa fanaon’ny firenena maro mihitsy ankehitriny ary tena mampihemotra tanteraka ny fanatontoloana. Manginy fotsiny ny tsy fahamarinan-toeran’ny rafitra ara-bola sy ny tsy maintsy ampitomboina hatrany ny vola laniana amin’ny sehatra teknojia mba ahafahana mifaninana amin’ny firenena hafa ka mainka mamparisarisa an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Ankoatra izay, nidina 3% ihany koa ny fandraharahana IDE (Investissement Direct Etranger) aty Afrika noho ny olan’ny akoranafo sy ny akora fototra izay lasa tena mampalaina ny mpampisa vola. Izany rehetra izany no mitambesatra ary mahasanganehana ireo mpahay toekarena maneran-tany. Ahiana hatrany ny akon’ireny olana goavana ireny aty Madagasikara satria  firenena mbola miankin-doha tanteraka amin’ny famatsiam-bola any ivelany isika.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT