Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.
Efa nampoizina ihany ity vokatra ity araka ny voalazan’ny mpandinika satria nanova zavatra betsaka teo amin’ny toekarena indianina i Modi ary maniry ny hitohizan’izany ireo mpanara-dia azy. Tamin’ny taona 2014 tamin’ny nandraisany ny fitondrana dia nampiharina tany India ny « digitalisation » mba hanamorana ny fikarakarana taratasy (processus administratif) izay tena mandany fotoana an’ireo mpandraharaha. Tsy izay ihany fa tamin’ny taona 2016 ihany koa dia napetraka ny « démonétisation » na ny tsy fampiasana vola ho ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny fanovana lehibe indrindra nentin’i Narendra ny namoronana ny GST izay nampitombo be ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana satria ao daholo no atao ny fandoavana hetra rehetra ary tsy misy afaka manova na manena mihitsy ny sandan-ketra tokony haloa eo anivon’ny orinasa. Na eo ary izany ezaka rehetra izany dia mbola manjaka any India ny sehatra tsy ara-dalàna. Ny 99%-n’ny orinasa any an-toerana dia voasokajy ho madinika avokoa. Tsy mamokatra firy izy ireo ary tsy afaka manome karama araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpiasa. Mampandringa ny toekarena izany ary ilaina ezaka amin’ny fitondrana vaovao any. Efa firenena afaka anefa i India amin’ny lafiny toekarena ary tena lasa lavitra be mihoatra amin’i Madagasikara. Mifaninana mihitsy amin’ny mpandraharaha sinoa izy ireo eto amin’ny firenena ary miezaka mametraka ny fahaiza-manaony
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.