Dossier

Tobim-pamokarana rano Hitarina ny any Antsiranana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Vola mitentina 2 miliara Ariary no hatokana amin’ny fotodrafitrasa hanavaozana sy hanitarana ny tobim-pamokarana rano ao amin’ny PK7 Antsiranana.

 

Vinavinaina hatomboka amin’ny volana oktobra izao ny asa fanamboarana. Tsiahivina fa 17000 m³ isan’andro monja ny rano vokarin’ireo tobim-pamokarana rano miisa roa ao amin'ny PK 7 sy Sahasifotra any Antsiranana amin’izao fotoana, raha toa ka 24000 m³ isan’andro no tena mahasahana ny filan’ny mponina any an-toerana. Ho an’ny tobim-pamokarana rano ao Sahasifotra manokana dia ny 35%-n’ny rano ihany hatreto no mbola voatrandraka. Anisan’ny antony mahatonga izany ny fanodinan’ireo mpamboly sasany any an-toerana ny rano ho amin’ny fambolena ataony kanefa miantraika mivantana ary mampidina ny tahan’ny rano vokarina izany, araka ny nambaran’ireo teknisiana. Ilaina paikady matotra ny famahana ny olan’ny famatsiana rano ao anatin’ny faritanin’Antsiranana, hoy ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga nandritra ny fidinana sy fijerena ifotony tany an-toerana. Tsy maintsy  havaozina sy hitarina haingana ireo tobim-pamokarana rano ao amin’ny PK7 Antsiranana ireo, hoy izy mba haharaka ny filàn’ny mponina satria fantatra fa tsy ampy mihitsy ny rano vokarin’ny Jirama any an-toerana amin’izao, araka ny tatitry ny teknisian'ny Jirama. Tsy omena tsiny ihany koa anefa ireo mpamboly manodina ny rano mba hahatsara ny fambolena ataony ary ilaina ny ezaky ny fanjakana amin’ny famatsian-drano mba hahasehaka tanteraka ny mponina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT