Dossier

Tetikasa Tanamasoandro Niditra an-tsehatra ny SE-BTP


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Nisy ny fivoriana sy ny fifanakalozana hijerena ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro

 

 niarahana tamin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy sy ny tompon’andraikitry ny tetikasa ary ny fiadidiana ny repoblika. Tamin’izany indrindra dia natao sonia tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny sendikan’ny orinasa misehatra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy na (SE – BTP) sy ny Fanjakana. Amin’ny maha fananganana tanàna vaovao ny tetikasa dia nambara fa hanaraka ny fivoarana ara-teknolojia ny Tanamasoandro. Hametrahana “connexion” avokoa mantsy ireo toerana hifamezivezen’ny daholobe sy ireo tranom-panjakana, araka ny fanazavan’ny minisitry paositra sy ny fifandraisan-davitra. Nilaza kosa ny teo anivon’ny SE-BTP fa hanamafy ny traikefany ary efa nisy mihitsy ny programa novatsian’ny agence francaise de développement (AFD) vola mitentina 9 tapitrisa Euros hatokana ho amin’ny fanofanana arak’asa azy ireo. Tanjona, hoy ny filohan’ny Sendika, ny mba hananan’ny orinasa Malagasy traikefa feno sy ampy amin’ny fanatanterahana tetikasa fananganana fotodrafitrasa goavana eto amin’ny firenena. Amin’ny ampahany voalohany izao aloha dia 387 ha no velarantany hananganana ny  tetikasa ary nolazaina fa ho marobe sahady ireo asa hatao ao anatin’izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT