Dossier

Tetikasa “portail des lémuriens pour Madagasikara” Hampandroso be ny sehatra fizahantany


  • Zoma 27 Jolay 2018

Omaly alakamisy 26 jolay 2018 no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina ny vavahadim-pahalalana ho an’ny lémuriens eto Madagasikara (portail des lémuriens pour Madagasikara).

Natao izy io ho fananganana vovonana azon’ny rehetra idirana mba ho fampahafantarana bebe kokoa ho an’ny rehetra ny karazany, ny fomba fiainany, ny fiarovana sy ny tombosoa amin’ny fananana lémurien. Tanjona ihany koa ny hanangonana ny fahalalàna rehetra izay hita ho miparitaka na eto an-toerana na any ivelany mahakasika ireo biby ireo. Araka izany dia afaka miditra ho mpikambana ao na ny mpikaroka, ny manampahaizana eto an-toerana sy any ivelany, ny mpianatra, ny  mpizahatany ary indrindra ny olona mipetraka any amin’ny toerana hiveloman’ireo biby ireo. Ny lémurien no ahafantarana ny firenena Malagasy ary biby tena mahaliana ny mpizahatany tonga eto Madagasikara ka tokony ho saro-piaro aminy ny Malagasy, hoy ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, Rabeson Tokiaritefy. Raha ny torapasika sy ny moro-dranomasina mantsy dia  betsaka ny firenena manana izany fa ny lémurien dia eto ihany no nipoirany sy misy azy. Mila arovana mafy satria anisan’ireo harena ara-boajanahary ifotoran’ny fampandrosoana ny sehatra fizahantany eto Madagasikara.

Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT