Dossier

Tetikasa fihariana Mila fanazavana sy tari-dalana


  • Talata 21 Mey 2019

Zava-dehibe ny tetikasa “Fihariana” ho an` ny firenena. Tokony hivelatra mba tsy hivangongo eto an-drenivohitra fa hisandrahaka manerana an`i Madagasikara ny tetikasa.

 

 

Eny amin`ireo Antenimieran`ny varotra manerana ny nosy kosa ny mason’ny rehetra satria hatoby eny avokoa ireo antontan-taratasy fangatahana. Ahoana ny masotsivana ? Ny fahazoana hampiasa io vola io ? Zavatra tsy azo lavina ny fikarakrana antontan-taratasy ka ahoana ireo tanora any ambanivohitra ? Tena hizara mahitsy sy hilamina tsara amin`ireo tanora manana tetikasa ? Sao hisy indray ny hoe “ tanora manana tetikasa miaraka amin`i Andry Rajoelina” toy  ity fifidianana solombavambahoaka ity. Tsy mazava ny fampiharana ny vola ampiasaina. Betsaka ny tanora Malagasy manam-paniriana hampitombo ny velaran-tany hamboleny, faniriana hampiasa vola any amin`ny faritra lavitra ka manantena hahazo amin`io 200 miliara ariary io. Mila fanazavana sy tari-dalana amin`io rafitra io mba ahafahana mitsinjara mitovy sy mampitovy lenta ny rehetra ary manentana. Tsy hiteraka voka-tsoa ho an`ireo tanora raha izany indray no zavatra hitranga. Vao mainka hiteraka fisaraham-bazana eny amin`ny fiarahammonina eny amin`ny sehatra isan-karazany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT