Dossier

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Miisa 50 486 ireo antontan-taratasy voaray eo anivon`ny Antenimieran`ny varotra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara mahakasika ny fandaharanasa

 

 

 

 “Fihariana” izay famatsiam-bola avy amin`ny fitondram-panajakana hanohanana ny tanora. Ny faritra Androy no tena nahasarika olona satria antontan-taratasy miisa 9 068 no voaray nandritra ny volana mey. Dosie miisa 14 kosa no voaray tao amin`ny faritra Betsiboka. Marihina fa  vahaolana iray hanampian`ny fanjakana ny tanora tonga eo amin`ny sehatry ny asa, mahatratra dimy hetsy isan-taona, ny “Fihariana”. Olana ho azy ireo anefa ny tsy fanananana asa ka zary vesatra ho an`ny firenena sy miteraka olana isan-karazany amin`ny fiarahamonina. Hahazoana famatsiam-bola 1 tapitrisa hatramin`ny 200 tapitrisa ariary izy io, miankina amin’ny tetikasa aroso hita fa matotra. Ny tena mampanahy amin`ny tolotra toy izao ny kiantranoantrano ka izay tiana homena ihany no mahazo. Iza no afaka manome toky ny tsy hisian`izay endrika kolikoly izay ? Hailika avy hatrany ihany koa ve ireo tetikasa an’arivony maro be tsy hofantenana sa hitadiavana hevitra hamatsiana ara-bola azy ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT