Dossier

Tetikasa e-paiement Hamaha ny olan’ny mpiasam-panjakana


  • Zoma 28 Jona 2019

Hotanterahina amin'ity taona ity ny tetikasa e-paiement mba hanamavainana ny fahasahiranan'ny mpiasam-panjakana. Fandoavam-bola amin'ny alalan'ny aterineto sy ny finday atao ary efa eo am-pamolavolana izany ny avy ao amin'ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

 

 

Eo ihany koa ny fampiasana karatra izay ahafahan’ireo mpiasam-panjakana maka ny karamany eny amin'ny distributeur automatique. Hohavaozina hanaraka ny teknolojia ny rafi-pitantanana eny anivon'ny minisitera rehetra ka hisy mihitsy  ny fametrahana rindran-kajy hahafahana mifehy sy manara-maso ny fandaniam-bola. Hovahana ihany koa ny olana mampijaly tahaka ny filaharam-be hita eny amin'ireo toerana fangalana fisotroan-dronono sy fandraisan-karama isam-bolana. Etsy an-kilany dia ahafahana miala amin’ny sinto-mahery izay mateti-pitranga ity tetikasa e-paiement ity rehefa mandray vola ny mpiasa na ireo efa misotro ronono.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT