Dossier

Tetikasa Ambatovy Nandrotsaka 48,8 miliara ariary ho an’ny kaominina sy ny faritra


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Efa tamin’ny 14 aprily 2018 no vita sonia ny didim-pitondrana laharana 8902/2018, milaza ny fifampizaran’ireo vola azo avy amin’ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ny Nikela sy ny Kobalta ny taona 2012 hatramin’ny 2017,

saingy ny sabotsy teo vao nampahafantarin’ny filoha ara-pomba ofisialy ny fisiany ary nampahafantariny ireo kaominina sy faritra mahazo azy. Raha ilay didim-panjakana dia kaominina 20 eo anivon’ny faritra roa dia Atsinanana sy Alaotra Mangoro no mahazo ity volaben’ny tamberim-bidin’ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ity ka ny 1,6% amin’ilay sanda voalazan’ny lalana no mandeha amin’ny kitapom-bolan’ireo kaominina sy faritra ireo izay mitentina 48,8 miliara ariary ny vola hifampizarana. Raha ny eo amin’ny kaominina dia ny kaominin’Ambohibary misy ny orinasa fakana ireo ranon-tany isivanana ireo Nikela sy Kobalta ao Ambatovy sy Analamay no mahazo ny be indrindra izay mahatratra 10 miliara ny anjaran’izy ireo. Mitentina 9,6 miliara sy 6,2 miliara ariary kosa ny an’ny faritra Alaotra Mangoro sy ny faritra Atsinanana, ary manodidina ny 3 miliara ariary  ho an’ny kaominin’i Toamasina suburbaine. Nambaran’ny filoha tamin’ny fampahalalana izao vola izao anefa fa ny 70%-n’ny vola dia tsy maintsy ampiasaina amin’ny fametrahana fotodrafitrasa isaky ny kaominina sy ny faritra, ny 30% kosa dia azon’izy ireo ampiasaina amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny kaominina sy ny faritra misy azy ireo, saingy efa azon’izy ireo alaina avy hatrany manomboka izao ny 20%-n’ny vola eny amin’ny banky mba hahafahan’izy ireo miasa. Hialana amin’ny tsy fahaiza-mitantana dia hisy ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fitantanana ny vola izay ataon’ny fanjakana sy ireo fiarahamonim-pirenena ary ny vahoaka eo anivon’ireo kaominina sy ny faritra nahazo ny vola. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao fa hamoaka vola 2,5 tapitrisa dolara entina hisahanana ny fahadiovan’ny tanànan’i Toamasina ao anatin’ny tetikasa Tamadio ny Ambatovy; ka ny fandraofana ny fako sy ny fanodinana izany ho lasa zavatra mahasoa sy ho lasa herinaratra ampiasain’ny vahoaka no tanjona.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT