Ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy ary Vakinankaratra no nanatanterahana ny tetikasa andrana Af-Rice noho ny fihenan’ny voka-bary tany.
Nandramana tamin’izany ireo voly vary samihafa nandritra ny 7 taona nisian’ny tetikasa ka hita ho tsara ny vokatra na dia misy aza ny fiovaovan’ny toetr’andro. Misedra olana ireo faritra 3 ireo noho izay fiovaovan’ny toetr’andro izay satria hita ho tsy ampy ny lavaka sy ny fiarovana ny tampon’ny tanety ka kaohin’ny riaka ny tany. Rehefa izay anefa dia tototra ny tanimbary ary tsentsina ny lakandrano ka mahatonga ny voka-bary hihena. Nampahafantarina tamin’ny atrikasa famaranana ny antom-pisian’ny Tetikasa Af-rice hamaha izany olana izany. Raha 2 hatramin’ny 3 taonina isaky ny hektara ny vokatra taloha dia lasa 7 taonina isaky ny hektara izany noho ny fisian’ny tetikasa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.