Rehefa nodinihina nandritra ny herinandro ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity dia tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra tamin’ny farany teo fa ny 60%-n’ny tetibola no hanaovana ireo fotodrafitrasa.
Anisany ny fanamboaran-dalana toy ny RN 44, ny RN 5a, RN 5, RN 9, RN 13 sy ny fametrahana ny lalana miantona (flyover). Ny totaliben’ny fandaniam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana izay mahasahana ny fandaniam-bola anatiny sy ny an’ireo tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola avy any ivelany dia mitentina 8.607 miliara Ariary. Ankoatra izay, 60% hanaovana fotodrafitrasa izay dia 14% ny fampiasam-bola mahasahana ny sosialy. Nahena ho 20% kosa ny fitantanan-draharaham-panjakana ary najanona 6% ihany ny seha-pamokarana. Mahatratra 5.805 miliara Ariary ny totaliben’ny vola miditra, ahitana ny tahan’ny fampidiran-ketra 12,3%. Ny famatsiam-bola avy any ivelany hanatanterahana ireo tetikasa sasany kosa dia mahatratra 2.313,32 miliara Ariary. Vinavinaina ho 5,2% hatrany ny fitombon’ny harinkarena faobe ary tsy hihoatra ny 6,7% ny tahan’ny fiakaram-bidim-piainana amin’ny ankapobeny. Tafiditra ato anatin’ity volavolan-tetibola ity ihany koa ny mahakasika ny fiakaran’ny karama farany ambany sy ny tsy fandoavana IRSA ho an’ireo karama hatramin’ny 350.000Ar. Tsiahivina fa mbola alefa eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ity volavolan-dalàn’ny tetibola ity mba hankatoavina mialoha ny tena fanatanterahana azy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.