Dossier

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana Nofoanana ireo fandaniana tsy mazava


  • Talata 14 Mey 2019

Naharitra 3 andro ny nandinihana ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2019) niarahana tamin’ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika.

 


 Nasiana fanitsiana tanteraka io tetibolam-panjakana 2019 io satria saika nampidinina avokoa ireo fandaniam-bola ary nofoanana mihitsy aza ireo tsy mazava. Nojerena antsipirihany mihitsy ny fandaniam-bolan’ny minisitera tsirairay ary ny praiminisitra no nanadina. Nohadihadiana tsara raha mitombina sy tena nilaina marina ireo fandaniana. Tsikaritra tao fa misy amin’ireny ny misoratra ao fotsiny tahaka ny fividianana fiara sy ny fitaovana informatika izay tsy mitombina ny ankamaroany, izany hoe ahiana ho nisy trangana fanodinkodinam-bola. Tahaka izay koa ny filazana famoaham-bola hanamboatra na hanavao tranom-panjakana, izay misy zavatra mampiahiahy maro. Hatramin’izay dia ny minisiteran’ny fitantanam-bola hatrany no manana tetibola ambony indrindra saingy maro ny fandaniana tsy voaporofo sy tsy voamarina tao ka nahena. Nampidinina ihany koa ny an’ny andrim-panjakana any amin’ny foibe ary nakarina ny any amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT