Dossier

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana Nankatoavin’ny HCC saingy…


  • Talata 28 Mey 2019

Nandalo teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny volavolan-dalàn’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ka nankatoavina izany ary nolazainy fa mifanaraka amin’ny lalampanorenana.

 

 

 

Na izany aza dia nisy ihany ny fanamarihana nataon’ny HCC tamin’ny andininy maromaro mikasika ny fifanarahana ara-bola izay nodinihina. Anisan’izany ohatra ny andininy faha12 izany izay mitaky ny tsy maintsy fisian’ny fifandraisana mazava tsara sy ny fangaraharan’ny antontan-kevitra ara-bola. Tsy tokony hohamaivanin’ny Fanjakana ny vola mivoaka ary tahaka izany ihany koa, tsy tokony heverina ho ambony be ny vola miditra ao amin’io volavolan-dalànan’ny tetibola 2019 io. Manoloana ireo fanapahan-kevitry ny fanjakana ny amin’ny politika hanatsarana ny farim-piainan’ny vahoaka tahaka ny tsy fakàna hetra (IRSA) ny amin’ny karama latsaky ny 300 000 Ar dia manambara ny andininy faha13 fa anjaran’ny Fanjakana no mitady ny fomba haha marin-toerana ny fidiran-ketra hanetsemana ny banga. Tahaka izany ihany koa, ny ao amin’ny andininy faha 14 sy 15 dia milaza fa tokony hisy politika mazava ny miaraka amin’fanitsiana ny fandaniam-bolam-panjakana ka handeha tsara ny amin’ny tokony ho izy izany ary hifanaraka amin’ny tanjona napetraka. Araka izany dia hojerena indray ity LFR 2019 ity raha hipaka tsara amin’ny fanodinana ny ministera ary koa hihatra mivantana amin’ny andavan’andron’ny vahoaka Malagasy.

 Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT