Dossier

Tetibolam-panjakana 2020 Tsy maintsy hamoahana didy hitsivolana ny fampiharana azy


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Ny takarivan`ny zoma teo no naverin`ny solombavambahoaka hodinihin`ny loholona ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020. Ireo loholona kosa dia nandinika sy nandany izay fanitsiana napetrak`izy ireo,

 

 

 

 sady nanenjika sy nanatitra izany tetsy Tsimbazaza, mialoha ny misasakalina. Tokony ho tamin`ny 11 ora 45 mn no tonga teny Tsimbazaza ny sekretera jeneralin`ny Antenimierandoholona, voairaka hanatitra ny volavolan-dalàna mifehy  ny tetibolam-panjakana taona 2020, izay nasian`ny loholona fandinihana fanindroany, rehefa avy nodinihan`ny depiote fanindroany ihany koa.  Nosakanan`ny miaramila iray anefa ity sekretera jeneraly ity, satria hoe : baiko avy any ambony izany, ka niafara tamin`ny fanositosehana azy dia nasaina nivoaka izy. Nanantitrantitra ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, fa efa nisy resaka nifanaovany tamin`ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Chrsitine Razanamahasoa, tamin`ny 11 ora alina, tamin’io andro io. Vita ilay fandinihana LFI 2020 tamin`ny 11 ora sy sasany ary tsy taran`ny tamin’ny 12 ora alina. Etsy ankilany, nilaza ny teo anivon`ny Antenimieram-pirenena fa niandry an’ity volavolan-dalàna ity. Miendrika paikady politika ihany no tsy namerenana ilay LFI 2020 raha tsy omaly takariva, hoy Rivo Rakotovao. Tany aloha, dia efa niteny tamin'ny praiminisitra hoe ny volavolan-dalàna momba ny tetibola sy ny lalàna fehizoro ihany (loi organique)  ihany no mandeha voalohany (première lecture) mankany amin’ny antenimieram-pirenena raha ny lalàna, ary azo atao ny mampandanjalanja ilay tolo-dalàna hafa, amin’izay miparitaka ny asa. Tsy nanao izany anefa ny mpitondra. Aty amin'ny farany dia tonga marobe ny lalàna, ka izahay tsy “boîte au lettre” fa tsy maintsy mandinika, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Rehefa samy namaky sy nandinika fanindroany avy izany ireo Antenimiera roa tonta dia azon`ny mpanatanteraka tapahina amin`ny alalan`ny didy hitsivolana ny LFI, araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-92. Miendrika ady eo amin’ny andrim-panjakana (Guerre institutionnelle) izay endrika iray isehoan’ny krizy eto amin’ny firenena anefa io.

 

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT