Antom-pivorian’ny parlemanta roa tonta ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020.
Tsara ho fantatra ireo laharam-pahamehana voarakitra ao anatiny Tsy ahenoan-dresaka firy ireo parlemantera mahakasika ny « Loi de finance 2020 ». Ilaina adihevitra sy fanangonan-kevitra. Misy ny « conférence budgétaire » isaky ny minisitera izay tarihin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola, mialoha ny fandrafetana ilay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Saingy miseho matetika ireto tranga ireto :tsy mifanaraka amin`ny fampiharana ny politikam-panjakana (PGE) izay nampahafantarina ny Parlemanta roa tonta ireo voarakitra. Eo ihany koa ny adihevitra momba ireo tombontsoa manokana sisa no mibahana. Manaraka izany, tsy voadinika lalina ny vola hampiasaina amin’ireo sehatra ho fampiroboroboana ny harinkarena faobe sy ireo « priorité »; Farany, lasa "budget de Moyen" no ampiharin'ny minisitera fa tsy mifanaraka amin’ny fenitry ny fampiasam-bola izany hoe " Budget programme". Ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020 moa dia ny herinandro lasa teo vao nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra. Ny eo anivon`ny Antenimieram-pirenena indray, zara raha mahatratra folo mahery ireo depiote mivory ao an-dapa kanefa fiaianam-pirenena no hodinihana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.