Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 Tsy lany teny amin’ny antenimierandoholona


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Tsy mifanaraka amin`ny andininy faha-92 voalaza ao anatin`ny lalàm-panorenana ny fanitsiana nentina tamin`ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) fa tokony hatao mifanaraka amin`ny fampidiram-bola ny fandaniam-bola nokitihan`ny solombavambahoaka,

 

 

 hoy ny teo anivon`ny Antenimierandoholona nandritra ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho amin`ny taona 2019 (LFI) ny alatsinainy hariva lasa teo. Nanamafy ireo loholona fa tsy mitsipaka akory ny LFI 2019 izy ireo fa anjaran`ny Antenimieram-pirenena kosa no mampifanaraka izany amin`ny lalàmpanorenana. Nitondra fanitsiana kosa ny loholona ao anatin`ny tetibolam-panjakana 2019 eo amin`ny fampitomboana 342% ny hetra alaina amin`ny sigara  na “droit d`assises” raha toa ka 305% ny avy amin`ny governemanta mba ahafahana miaro ny indostira Malagasy. Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin`ny Senat kosa ny volavolan-dalàna mifehy ny vondronasam-panjakana mitondra ny laharana 025 (Etablissements publics). Tafiditra ao anatin`ny fanjakana tsara tantana sy ny fitantanana amin`ny tokony ho izy ny volam-panjakana ity volavolan-dalàna ity, hoy ny minisitry ny vola sy tetibolam-panjakana, Vonintsalama Sehenosoa. Nohamafisiny fa hahazoana mametraka amin`ny laoniny an`ireo vondronasam-panjakana maro hanaraka ny lalàna mba tsy hisian`ny gaboraraka na hisian`ny fandaniana tsy manaraka ny tokony ho izy satria volam-bahoaka no tantanina. Loholona 40 no nandany ìty lalàna ity ary fanindroany no nandalo teo anivon`ny antenimierandoholona. Marihana fa mifarana ny 14 desambra ho avy izao ny fivoriana ara-potoana faharoa eo amin`ny parlemantera roa tonta.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT