Nolanian’ireo solombavambahoaka rehetra teny Tsimbazaza tamin’ny fomba tsotra sy maika ny sabotsy hariva teo ny Volavolan-dalàna
laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020. Nialohavana fampahafantarana ankapobeny nataon’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny fampandaniana. Navoitra ny maha zava-dehibe ireo fototra iorenan’ny Drafitry ny Fisandratan’i Madagasikara, dia ny lafiny ara-tsosialy, ny fitantanana ary ny toekarena. Ny 39.57%-n’ny tetibolam-panjakana dia natokana ho an’ny lafiny ara-tsosialy, 30,3% ho an’ny seha-pamokarana, ary ny 21,07% eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa. Tsy tena hita taratra be ireo tetikasa goavana, toy ny Tanà-masoandro,… Vinavinaina ho 5,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 6,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020. Io taha-pisondrotan’ny vidim-piainana io dia heverina fa hihena miandalana hatramin’ny taona 2023, ary ny fampiasam-bola kosa na ho an’ny fanjakana na ny tsy miankina dia hatevenina mba hanosehana ny fandrosoana. Ny fanatsarana ny taham-pampidiran-ketra, izay vinavinaina ho 11,5%, no anisan’ny fomba hoentina manatratra ny tanjona kendrena. Ny lanjam-bidy amin’ny fadin-tseranana mahakasika ny bolabolan-tsavony, ohatra, dia notanana ho 10% toy ny taloha, raha toa ka 20% ny tahan’ny haban-tseranana noheverina noraketina tao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2020 ity. Tsiahivina fa 7,0% ny tahan’ny fiakaran’ny toekarena hatramin’ny 2023, kanefa efa 7,31% izany talohan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Taorian’ny Antenimieram-pirenena nandany maimaika, dia hodinihin’ny antenimierandoholona indray ity volavolan-dalàna ity, izay ahiana ny mety tsy hahalany azy etsy Anosikely. Tratry ny fahirano ny antenimierandoholona, raha ny fahitana azy. Raha maherin’ny 50miliara ny tetibola hampihodinana io andrim-panjakana io teo aloha, dia manodidina ny 5 miliara ariary sisa, raha ny voafaritr’ilay tolo-dalàna. Hihamafy ny adin’ny samy andrim-panjakana, ary hizotra amin’ny didy hitsivolana (ordonnance) amin’ny fampananan-kery azy io ny Filoha, raha izao no mitohy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.