Araka ny voalaza ao anatin'ny lalàmpanorenana dia mbola ao anatin'ny fivoriana ara-potoana faharoa ireo parlemantera ary io ilay atao hoe : "cession budgétaire" na fivoriana handinihana ny tetibolam-panjakana amin'ny taona ho avy.
Raha ny zavatra hita dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fivoriana, satria fotoam-pifidianana, ka nirotsaka tamin'ny fampielezan-kevitra ireo lanim-bahoaka sy loholona. Tamin' ny herinandro kosa dia nisy ireo depiote niverina teny an-dapa, kanefa tsy raikitra indray ny fihaonana tamin'ny minisitry ny vola sy ireto solombavambahoaka ireto. Mikasika ny lalàna mifehy ny tetibola dia voalaza fa tamin' ny 29 oktobra lasa teo no voaray teo anivon'ny Antenimieram-pirenena izany ary tamin’ity fiandohan'ny volana novambra ity no nambara fa ao anatin'ny tranonkalam-pifandraisana eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, kanefa tsy mbola hita hatrany ny volavolan-dalàna. Ny zavatra hitranga anefa dia hiverina hiatrika fampielezan-kevitra amin'ny fihodinana faharoa indray ireo parlemantera, ao anatin'ny roa herinandro. Ho tapaka mialoha izay ve ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin'ny taona 2019 ? Ny azo ambara dia ny filoham-pirenena vaovao no hizaka ny tetibola manaraka izay ho lany eo. Hodinihina anio sy rahampitso ny fivoriana mahakasika ity fandaniana ny tetibolam-panjakana 2019 ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.