Ao anatin`ny fivoriana ara-potoana faharoa ataon`ireo parlemantera isika amin`izao fotoana. Raha ny fantatra dia anisan`ny mibahana ao anatin`ny fandaharam-potoana amin`ny ankapobeny amin`ity herinandro ity ny fandinihana ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin`ny taona ho avy.
Hatreto anefa samy maka ho azy ny depiote fa sahirana amin`ny fampielezan-kevitra amin`ny kandidà hotohanany. Tsiahivina fa 20 monja ireo solombavambahoaka nanatrika ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa kanefa zava-dehibe no hodinihana ao. Mipetraka kosa ny fanontaniana, tetibolam-panjakana inona sy an`iza no voalanjalanja sy voadinika etsy amin`ny Antenimieram-pirenena ? Marihina fa fotoam-pifidianana isika izao. Midika izany fa izay filoham-pirenena vaovao ho lany sy hitantana ny firenena dia tsy maintsy hanitsy ny tetibola mba hifanaraka amin`ny programan`asany satria voafetra ny tetibolam-panjakana. Azo hahitsy izy io saingy tsy hahavitana tetikasa goavana raha oharina amin`ny vinam-piarahamonina mafilotra atolotry ny kandidà sasany. Ny fampandrosoana eto amin`ny firenena mantsy dia matetika trosa avokoa no manosika azy. Marihina fa ny volana jona no azo atao ny fanitsiana amin`ny taona manaraka raha tsy maintsy atao. Hiteraka fitoniana ve ity fivoriana ara-potoana ity ? Amin`ny fotoana milamina anefa toa laniana fotsiny sy hananganana tanana ny tetibolam-panjakana, maika fa amin`ny vanim-potoana toy izao ? Andrasan`ny besinimaro ireo volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2019 izay ivon`ny fivoriana ara-potoana faharoa. Tsiahivina fa 9 014 miliara ariary ny fandaniam-bola raha toa ka 4 876 miliara ariary izany tamin`ity taona 2018 ity. Miandry ihany koa ny mpamatsy vola iraisam-pirenena vao mandeha ny famatsiam-bola isan-karazany satria ny tetibola no andrasana eo amin’ny antenimiera roa tonta ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.