Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 Ho ampy ve ny fe-potoana handinihana azy ?


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Lany teo anivon`ny Antenimieram-pirenena ny 20 novambra lasa teo nandritra ny fivoriana azon`ny besinimaro natrehina ny fandaharam-potoana fahatelo iasan`ny depiote hatramin`ny 5 desambra ho avy izao.

Araka ny lahadinika dia tapaka fa hodinihana anio sy rahampitso ny fandinihana ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) amin`ny taona ho avy (LFI 2019). Raha tsiahivina ny vinavina dia manodidina 9.014 miliara ariary ny tetibola ampiasaina amin`ny taona 2019. Nahitana fiakarana 25,5% izy io oharina tamin`ity taona ity. Hiakatra 615 miliara ariary ny fampiasam-bola eo amin`ny lafiny sosialy raha 438 miliara ariary ny taona 2018, nahitana fiakarana 41,7%. Mikasika ny fampidiran-ketra, hovinavinaina 4.876,3 miliara ny faran`ity taona ity. Ahitana 12% ny taham-panagonan-ketra (Taux de pression fiscale). 6,3% izany no avy amin`ny hetra ary 5,7% avy amin`ny fadin-tseranana. Hovinavinaina hitombo 0,3% amin`ny taona ho avy izay ahitana taham-panangonan-ketra 12,3%. Ny fantatra aloha dia hafana ny fandinihana an`ity LFI 2019 ity mandritra ny roa andro. Hodinihana ao ihany koa ny lalàna mahakasika fifanarahana iraisam-pirenena miisa 6 sy soso-kevitra manome vahaolana (proposition de resolution) miisa roa (2) araka ny voarakitra ao anatin`ny fandaharam-potoana vaovao eo anivon`ny Antenimieram-pirenena.

Tsy laharam-pahamehana

Miteraka resabe anefa ny fandinihana an`ireo volavolan-dalàna laharana 034-2018 momba ny LFI 2019 ireo. Tsiahivina fa nanao fanambarana ny fiarahamonim-pirenena ny zoma lasa teo ka nahatsikaritra fa maro ireo tsy laharam-pahamehana voasoratra ao anatin`ilay volavolan-dalàna. Tsy mifanandrify amin`ny laharam-pahamehana avy amin`ny fanjakana sy ny soso-kevitry ny fiarahamonim-pirenena ny voasoratra ao anatin`ny volavolan-dalàna mahakasika ny tetibolam-panjakana, hoy ny ROHY. Ohatra no raisiny tamin`izany ny tetibola natokana ho an`ny minisiteran`ny paositra sy ny fifandraisan-davitra izay nampiakarina 87 miliara ariary raha toa ka 6 miliara tamin`ny taon-dasa. Mbola hindramina amin`ny firenena sinoa anefa ny 70 miliara ariary ka tsy tokony holaniana ao anatin`ny iray andro fotsiny ny LFI 2019. Mila fotoana tsara ary mila fifampidinihana miaraka amin`ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanatanteraka io volavolan-dalana io izay vao tokony holaniana eny amin`ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny ROHY.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT