Tolo-dalàna iray sy volavolan-dalàna valo no vonona hodinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka efatra amin`ireo no vary mangatsiaka.
Andrasan`ny maro ilay hifehy ny tetibolam-panjakana 2019 izay ivon`ny fivoriana ara-potoana faharoa. Heverina ho 9 014 miliara ariary ny fandaniam-bola raha 4 876 miliara ariary tamin`ity taona 2018 ity. Ankoatra izay, vinavinaina ho 11% ny tsindrin-ketra na fampidiran-ketra amin`ny taona 2019. Mbola voarakitra ao anatin`ny tetibolam-panjakana 2019 ny fatiantoka raha 3,3% izany. Ezahana ho latsaky ny 4,7% izy io. Tafiditra ao anatin ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin`ny 2019 ihany koa ny fanampiana na “subvention” ho an`ny JIRAMA saingy hihena izany amin`ny taona ho avy satria 114 miliara ariary raha 300 miliara tamin`ity taona ity. Tsy tafiditra ao anatin`ny tetibolam-panjakana 2019 kosa ny vola ampiasaina eny anivon`ny kaominina, araka ny voalazan`ny lalàna satria hafa ny arofenitra ho azy ireny. Voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana fa ny governemanta ihany no afaka manao volavolan-dalàna mitondra ny tetibola. Ny minisitera tsirairay dia manao ny volavolana tetibola ka haravona ho iray miaraka amin`ny minisiteran`ny vola izany dia avy eo akarina any amin`ny governemanta izay mamoaka didim-panjakana. Tsy tetibolan`ny minisitera intsony, araka izany, no horesahina fa an’ny governemanta. Ny lehiben`ny governemanta rahateo no nomen`ny vahoaka fahefana hampiasa ny volam-bahoaka. Andrasana ihany koa ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny famotsiam-bola, izay loza mitatao ho an`ny firenena raha toa ka tsy holanian`ny eo anivon`ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.