Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 400 tapitrisa ho an’ny CLD, 800 ho an’ny kaominina


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Naharitra 60 andro ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemantera izay nanomboka ny 16 oktobra lasa teo, ka nifarana omaly teo anivon`ny Antenimiera roa tonta.

 

 Ho an`ny Antenimierandoholona, lalàna iankian`ny aim-pirenena maromaro no lany teo anivon`ity Andrim-panjakana ary nisongadina tamin`izany ny fahalanian`ny tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana. Tsy maintsy misy volavolan-dalàna fidiana maika mandritra ny roa andro mialoha ny krismasy ka tapaka fa tsy maintsy hiroso amn`ny fivoriana tsy ara-potoana indray ny loholona. Neken`ny Antenimierandoholona ny fampiakarana ny tetibola ampiasaina eo anivon`ny CLD ho 400 tapitrisa Ariary. Eo ihany koa ny fampitomboana ho 800 tapitrisa ariary ny tohana ho an`ny kaominina. Misy ihany koa ny fampiakarana ny tambin-karaman’ny sefom-pokontany sy ny lefiny ho 3 hetsy ariary. Nandritra ny lahateniny dia nisaotra ny mpikambana eo anivon`ny governemanta, Randriambololona Mananjara, filohan`ny Antenimierandoholona ary nanao antso amin`ny fametrahana ny fitoniana sy fandriampahalemana. Manana anjara andraikitra amin`izany ny loholona izay miantoka ny fifandanjan`ny  Andrimpanjakana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Tapitra hatreo ihany koa ny fe-potoam-piasan`ireo depiote eny anivon`ny Antenimieram-pirenena. Solombavambahoaka miisa 12 no niatrika ny fihaonana fifanatrehana (face à face) teo amin`ny mpikambana eo anivon`ny governemanta izay tarihan`ny praiministra lehiben`ny governemanta, Ntsay Christian, izay nanambara fa ilaina ny fitoniana ahafahana mametraka ny laminasa ijerena ny tombontsoa rehetra. Nandritra ny lahateniny, ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, nanao jery todika ireo lalana nodiavin`ny Antenimiera ary nanamarika fa fivoriana ara-potoana faharoa sady farany ho an`ireo solombavambahoakan`i Madagasikara iny. Mahakasika ny tetibolam-panjakana taona 2019, tsy maintsy hamoahana didy hitsivolana izany mialoha ny faran`ny taona, hoy ny minisitry ny vola sy ny tetibolam-panjakana Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa satria tsy misy fotoana handinihana intsony noho ny tsy fahampian`ny fotoana intsony . 

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT