Tsy fantatra intsony na fialantsasatra na tahotry ny korontana mety hitranga amin’ny fotoam-pifidianana fa toa nivoaka moramora ireo vahiny monina eto Madagasikara.
Teratany manan-danja eto amin`ny firenena izy ireo. Rehefa akaiky fifidianana toy izao dia heno foana fa manohana kandidà izy ireo. Fa amin`izao, tsy hay raha mitsoaka korontana, na koa fifidianana, na “kidnapping” izay niteraka resa-be na manararaotra vakansa mihitsy… Ny vahiny dia manana anjara goavana na eo amin`ny tontolon’ny fitantanana sy fandraharahana ny fiainana andavanandro eto Madagasikara ary tena ao anatin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy mihitsy. Hita amin`ny sehatra rehetra toy ny angovo, serasera, fitaterana, solika, … Manana tombontsoa manokana izy ireo matoa dodona tamin`ny fandrodanana ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny hanamafy an’izany no mahatonga ireo mpiara-dia amin’ny antoko TGV sy HVM handray ny fitondrana. Tsy misy izay tsy miaiky fa ny famerenana an-dRajoelina sy Rajaonarimampianina midika ho famarotana ambongadiny ny tanindrazana amin’ireo vahiny. Leo anefa ireo vahiny amin`ny fanararaotana mihoapampana ataon`ireto farany azy ireo. Efa niainan’ny malagasy ireo zava-doza vokatry ny nataon`ny tetezamita ary mbola hita tamin’ny fitondrana HVM ary fantatra fa ny fisian`ny vahiny no nahatonga an`I Madagasikara nikorofahana toy izao. Noho ny zava-misy eto amintsika anefa dia ompa tsy mivantana amin`ny vahoaka Malagasy sisa no tsy ataon`ireo vahiny. Diso miharihary loatra ny fihetsiky ny mpanao politika sasany satria nihevitra izy ireo fa hilamina ny tany rehefa mivoaka ny datim-pifidianana ary afaka mandray anjara amin`ny fifidianana ny rehetra. Mody gaga kosa ireo vahiny ka naleon`ireto farany miala eto Madagasikara amin`izao fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena izao ary tsy mahagaga raha mivoaka moramora ny vahiny eto amintsika. Tsy azo lavina fa tompon’antoka amin’izao fahavoazana izao ny mpanongam-panjakana saingy fay izy ireo ankehitriny ka mody mialokaloka any ivelany izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.