Tsy azo ihodivirana intsony ny fironana anatin’ny tontolon’ny informatika sy ny teknolojia vaovao.
Tena efa filàna maneran-tany izany vokatry ny fanatontoloana ary mila ny fivoarana ara-teknolojia avokoa ireo sehatra rehetra miteraka fampandrosoana. Maro be ireo orinasa eto Madagasikara no miara-miasa amin’ny orinasa Etech consulting ny amin’ny fandrindrana ny andraikitra amin’ny alalan’ireo teknolojia vaovao izay tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany. Mankalaza ny faha-10 taonany nanaovana fandraharahana eto Madagasikara io orinasa io ary nanambara hatrany fa tena ilaina ny fampahafantarana sy ny fampiofanana momba ny teknolojia malaza sy vaovao amin’izao fotoana izao. Misehatra tanteraka amin’ny resaka fikirakirana ny teknolojia avo lenta izy ireo ary mampiasa tanora Malagasy miisa 500 eo ho eo. Nanambara ireo tompon’andraikitra fa tsy azo ihodivirana intsony ny fotodrafitrasa ara-teknolojia ankehitriny ary taratry ny fandrosoana ara-toekaren’ny firenena izany. Anisan’ny olana sedrain’ny orinasa amin’izao ny fomba fitehirizana ny vaovao izay tena mahataraiky an’i Madagasikara ary manana vahaolana ny amin’izany ny Etech consulting. Eo ihany koa ny fanamorana ny amin’ny sehatra fitantanana ankapobeny mba ho haingana sy marina ny fikakirana ny teknolojia indrindra ho an’ireo orinasa lehibe mampiasa olona maro. Ankoatra izay dia manampy ireo orinasa eto Madagasikara sy ny manodidina ny Oseana Indiana ny amin’ny fampidirana ireo teknolojia vaovao sy tsara ho fantatra ny Etech. Miantraika avy hatrany amin’ny asa atao sy ny mety ho famokaran’ireo orinasa izany rehetra izany ary tahaka ny any amin’ny firenena mandroso dia hisy fiantraikany haingana amin’ny toekarena ny fahaizana mifehy ny teknolojia. Olana hatrany ny fahavitsian’ny injeniora informatika eto Madagasikara ary tena mahatratra farany ny firenena amin’io sehatra fampandrosoana ny teknolojia io.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.