Dossier

Teknolojia vaovao sy fandraharahana Hiatrika ny “Italy-Africa Business Week” i Madagasikara


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Anisan’ireo firenena nasain’i Italia handray anjara fanintelony amin’ny Italy-Africa Business Week i Madagasikara. Mbola manana hatramin’ny 15 novambra hisoratana anarana ireo mpandraharaha maniry ho any Milan hanatrika ny IABW taona 2019.

 

 

Manangana fandraharahana 40 no lohahevitra amin’ity andiany ity izay midika ho fisokafana amina teknolojiam-pifandraisana vaovao. Ankoatra izay dia betsaka ireo seha-pihariana hita any toy ny famokarana any ambanivohitra, ny fanafody, ny lamaody ary ny fizahantany izay saika mifanaraka amin’ny tetikasa azo atao eto Madagasikara avokoa. Ho an’ireo mpandraharaha te handray anjara amin’ity fihaonana atao any Milan ny 26 sy 27 novambra ity dia hohamoraina ny fahazoana ny VISA. Nifandamina ny mahakasika izany tamin’ny Consul honoraire an’i Italia ny minisiteran’ny raharaham-bahiny (MAE).  Tsy halefa fotsiny amin’izao ihany koa ireo mpandray anjara fa ampiana amin’ny fihaonana amin’ireo mpandray anjara vahiny. Tsiahivina fa efa nahasarika ny mpandraharaha Malagasy hatrany ny mifanerasera amin’ny italiana nandritra ny IABW andiany 2 voalohany. Niteraka olana be anefa ny tsy fahatomombanan’ny fahazoana VISA,  indrindra tamin’ny taon-dasa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT