Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny talata 05 martsa lasa teo ny fampahafantarana ny masoivoho faha-9 an’ny orinasa DEVEA izay misehatra amin’ny tontolon’ny Informatika miasa aty amin’ny faritry ny Afrika miteny frantsay.
Efa mahenika firenena 18 ny orinasa amin’izao fotoana ary nosafidiana manokana ho masoivoho faha-9 i Madagasikara. Mpamongady faharoa ofisialy ny marika HP, izay mamokatra solosaina sy ireo fitaovana fandikana (imprimante) ary ireo kojakoja maro amin’ny sehatra informatika eto Madagasikara ny orinasa DEVEA. Manafatra ireo fitaovana maro momba ny informatika io orinasa io ary manome 70% amin’ny asa sahanina ao ny HP. Mampiavaka ity orinasa ity ihany koa ny fananana sy famarotana fitaovana hafa ankoatra ny HP tahaka ny Printronix, izay fitaovana fandikana ny kara-pifidianana nampiasain’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Eo ihany koa ny ETN izay fitaovana fiarovana ny solosaina mety ho simba noho ny fahatapahan’ny herinaratra (onduleur) izay tena fampiasan’ny firenena rehetra ankehitriny. Fa ankoatra ny torohevitra homeny ny mpanjifa dia tsy voatery ny zava-misy ao amin’ny orinasa ihany no jifaina fa afaka manome fahafaham-po amin’ireo manana komandy manokana momba ny solosaina tiana ampiasaina izy ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.