Dossier

Teknolojia manaraka ny toetrandro Efa miditra mafy i Madagasikara


  • Talata 11 Septambra 2018

Ny fandrosoan’ny teknolojia no hitarafana ny fahatanjahan’ny firenena iray. Rehefa mipetraka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny marika iray dia tsinjo avy hatrany ny fandrosoana misy amin’ny firenena nametraka izany.

 

 

  Efa mba mandeha amin’izany lalana izany i Madagasikara satria nisy ny fampahafantarana ny marika Infinix tetsy amin’ny Hotely Ibis Andraharo omaly 10 septambra. Fitaovana vaovao manara-penitra sy raitra izy io ary tena manampy amin’ny fitadiavana loharanom-baovao sy ny zavatra mahaliana rehetra. Finday fotsiny no ampiasaina dia mahazo vahana tanteraka ny mpampiasa satria azo anontaniana am-bava ao, ohatra, ny amin’ireo orinasa vahiny mandroso afaka mampiasa vola nefa mety aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara. Ankoatra izay dia afaka misitraka ity ihany koa ireo mpianatra sy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny orinasa maro isan-karazany noho ny fahamoran’ny fampiasana azy. Ilaina hatrany ny fananana fitaovana tsara sy mandroso tahaka itony satria iaraha-mahalala fa mila maharaka ny tanjaky ny teknolojia amin’ireny firenena matanjaka ireny i Madagasikara mba hisarihana mpamatsy vola sy hahatongavana amin’ny fampandrosoana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT