Omaly alakamisy 16 aogositra no naseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ilay tari-dalana ho an’ny mpandraharaha “iGuide”.
Torolalana elektronika ao amin’ny tambajotran-tserasera izay manaraka ny modely any amin’ny firenena aziatika sy afrikanina ny iGuide. Ny vaomiera ara-toekaren’ny firenena mikambana ho an’ny Afrika (CEA) sy ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra sy ny fampandrosoana (CNUCED) no manampy ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara (EDBM) nahatonga ny firenena Malagasy nahazo an’ity tari-dalana ity. Fomba iray ahafahana misintona ny mpampiasa vola ny iGuide satria ao izy ireo no mijery ny firenena ahazoany tombony kokoa amin’ny fandraharahana rehetra misy. Tombony ho an’i Madagasikara ny mbola fahalalahan’ny sehatra fandraharahana ka hiteraka tombony ara-toekarena ho an’ny firenena izany. Tsy ny mpandraharaha vahiny ihany no sarihana hampiasa vola amin’ity torolalana ity, indrindra hitsinjovana ihany koa ireo mpanodim-bola Malagasy. Zava-baovao maro mety tsy fantatry ny Malagasy mihitsy kanefa manampy be azy amin’ny fandraharahana atao no voarakitra ao amin’io iGuide io. Saika hita ato daholo mantsy ny tontolo tsara fantatra momba ny tombony amin’ny fampiasam-bola atao eto Madagasikara. Araka izany dia tokony ho ny mpandraharaha Malagasy no lohalaharana amin’ny fijerena ny tombony rehetra misy eto amin’ny alalan’ity tari-dalana ity ka hanao ny fampiasam-bola fa tsy ho azon’ny vahiny hatrany ny tsenan’ny fandraharahana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.