Tamin'ity taona 2019 ity dia 900 kilao ireo rongony saron'ny mpitandro ny filaminana ka anisan’izany ny heroïne, ny cocaine ary ny cannabis izay matetika saron'ny mpitandro ny filaminana eny amin'ny fadin-tseranana.
Zava-mahadomelina manodidina ny 1 taonina isan-taona eo ho eo no levonina eo anivon’ny mpitandro filaminana aorian'ny didy avoakan'ny mpitsara. Na izany aza dia miankina amin'ny karazany ny andoroana na andevonana ireny zava-mahadomelina tratra ireny. Miankina amin'ny sokajiny satria misy ireo rongony malefaka toy ny cannabis ary eo ihany koa ny mahery vaika toy ny heroïne sy ny cocaïne. Raha ny mahakasika ny rongony dia miteraka voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana ny fandorana azy ka tsy maintsy levonina anaty rano raha ny fanazavana avy eo anivon’ny polisy misahana ny zava-mahadomelina. Ireo rongony malefaka kosa no dorana, ary any amin'ny toerana lavitra ny tanàna no anaovana azy. Nampatsiahy ny polisy fa mety hiafara amin'ny figadrana an-taonany mihitsy ny fifohana zava-mahadomelina.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.