Dossier

Taona 2018 Matroka ny toekaren’i Madagasikara


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Nanjombona sy niiba hatrany ny sehatra ara-toekaren’i Madagasikara ny taona 2018. Nanjaka ny fifaninanana tsy ara-drariny mampitaraina ny mpandraharaha tsy miankina izay mbola iainany hatramin’izao faran’ny taona izao noho ny fibosasahan’ny entana miditra avy any ivelany.

 

 

 

 Ankoatra izay dia nanamarika ity taona ity ihany koa ny fahefa-mividin’ny Malagasy izay tena latsaka ambany dia ambany. Amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao aza moa dia maro ny tokantrano Malagasy izay tsy mba mahatakatra hividianana vorona izany ary hita mihafy ihany koa anefa amin’ny sehatra hafa tahaka ny fitafiana sy ny fividianana entana ao an-trano. Mbola ho mafimafy ihany koa ny hanala iny volana janoary ho avy iny ka aleo tsy mirobaroba, hoy ny maro. Nampiavaka ity taona ity ihany koa ny fahasarotan’ny fidiran’ny tanora tamin’ny sehatry ny asa. Maro be ireo tanora nahavita fianarana saingy noho ny tsy fisian’ny tsenan’ny asa sy ny politikan’ny fampananana asa dia mirenireny sy zara fa miasa ny maro, hany ka miroso amin’ireny fitadiavana vola maika fotsiny ireny ka tsy misy akony amin’ny toekarena. Teo amin’ny orinasa nitsangana dia 76 monja izany tamin’ity taona ity raha 113 tamin’ny taona 2017 ary saika ireny call center ireny ny ankamaroany. Ny indostria Malagasy dia tena nikaikaika ny amin’ny tsy fahafahana mampiasa sy mindram-bola noho ny tahana zana-bola ambony alain’ny banky antony ny tsy faharisihana manangana Indostria. Manginy fotsiny ny fahalafosan’ny vidin-jiro sy ny delestazy eto Madagasikara ka tsy ho tombony ho an’ny Indostria mihitsy. Nampiteny ny moana ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ity taona ity ka nanafosafo ny 9% hatrany ny taham-pisondrotam-bidim-piainana. Ny vidim-bary sy ny vidin-tsolika dia nifaninanana niakatra ka nahakofona tanteraka ny isan-tokantrano ary tsy nahavanona ny toekarena. Niakatra hatrany ny fanafarana entana noho ny fanondranana ka voatazona foana ny fatiantoka ara-barotra ary rariny izany noho ny tsy fahampiana sy ny tsy fisiana famokarana. Mbola maro be ireo singa mandrafitra ny toekarena izay tsy nivoatra fa mainka aza nitotongana tahaka ny sandam-bola ariary, ny tsy fandoavan-ketra. Baraingo ny fisondrotana ara-toekaren’i Madagasikara amin’io taona ho avy io satria manangasanga ao ihany koa ireo fanetriben’ny firenena hamotika hatrany ny toekarena ary efa miantomboka izany amin’ny alalan’ny hala-bato miharihary tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa teo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT